- Publicité -
jeudi, octobre 30, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Nianjera teny ambony fiara mpaka fako dia maty

Ambohimangakely : Nianjera teny ambony fiara mpaka fako dia maty

Lehilahy iray nitaingina fiaran’ny Samva, izany hoe ireny fitaovam-pitaterana fako ireny, no maty rehefa nianjera avy teny ambony teny. Mamo dia nilatsaka hoazy, satria tsy voafehiny intsony  ny tenany, raha araky ny tatitry ny zandary. Ny antoandron’ny zoma teo, tamin’ny telo ora latsaka, no nisehoan’ny loza izay nosokajiana ho lozam-pifamoivoizana. Ny lohany no nitsatoka voalohany tamin’ny tany ary tsy vitan’izany fa mbola notsenain’ny kodiarana aoriana koa ny vatan-tenany taorian’ny fitontonana. Nezahina novonjena teny amin’ny Hjra ny ainy, saingy efa tsy nisy azo natao intsony noho ny fahavoazana be loatra. Notazonina ary nanokafana fanadihadiana ny mpamily ilay kamiao mpitondra fako. Matetika miteraka fitarainana avy amin’ny mpampiasa lalana ireny fiara mpitatitra fako ireny. Voalohany, manapa-dalana matetika ary dia miandry ny sitrapony izay fiara rehetra sendra azy rehefa mitranga izany. Ny faharoa indray, dia ny fisetrasetrana. Efa betsaka izay olona naratran’i « Mad max » (fiantsoan’ny olona ilay fiara) izay, na koa fiara nodominy dia tsy nijanona akory izy. Ny fahatelo farany moa izany, dia io karazan-tranga niseho tetsy Ambohimangakely io.
D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici