Teo an-toerana, fotoana kely taorian’ilay lozam-pifamoivoizana izay nitarika fahafatesan’ilay mpanamory kodiaran-droa dia saika nitovy daholo ny fanazavana. Izany dia nihodidina tamin’ny hoe nisosa ilay moto rehefa nisongona kamiao ary nifatratra tany amin’ny taxi-be izay nandona indray ny kamiao avy eo. Raha hiverenana kely dia nahafaty olona iray sy nandratra olona 13 ny lozam-pifamoivoizana izay nitranga teo Ambohitrombihavana ny marainan’ny talata teo. Rehefa tena nandeha anefa ny fanadihadiana dia zavatra hafa mihitsy no nivoaka ka nitarika ity loza ity. Araka ny vaovao ofisialy nampitaina dia variana naka finday nilatsaka tao anaty fiara ny mpamily ary tsy nahita intsony izay zava-nitranga teo anoloany. Mazava hoazy fa nifatratra tany amin’ilay kodiaran-droa ny fiara avy eo ary nitarika ny faharatràna mafy izay nitarika ny fahafatesan’ny tovolahy iray 24 taona izay nanamory izany. Ny alin’ny loza ihany dia efa nivoaka ny anton’ny loza kanefa tsy nisy olona izay azo notazomina aloha satria samy naratra mafy avokoa ireo teo amin’ny familiana. Etsy andanin’izany, ratsy ny làlana izay nisehoan’ny loza. Indrindra koa ao anatin’ny fiolanana hatrany no misy lavaka be izay matetika raha tsy zatra iny làlana iny dia na milatsaka ao anatin’izany na raha miala lavaka dia mety hotsenain’ny fiara raha tsy mailo. Efa ao anaty lalam-pirenena faharoa tanteraka Ambohitrombihavana ary matetika eo ihany koa no miseho ny fitohanana noho ny haratsian’ny làlana. Torak’izany koa ny lozam-pifamoivoizana satria saika tafiditra anaty fiolanana avokoa ireo lavaka. Tsy lalana lavabe fa lavaka maromaro izay tsy tokony mandany volabe ny fanamboarana azy. Hatreto anefa jerem-potsiny nefa dia ain’olona maro no mivezivezy isan’andro eo.
D.R