- Publicité -
mercredi, mai 21, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Nirefotra ny basy tao anaty « bar », nitsoaka...

Ambohimangakely : Nirefotra ny basy tao anaty « bar », nitsoaka ny mpisotro

Tsy mifidy toerana hasiana intsony ny olon-dratsy. Toerana tsy dia eritreretina ho voatafika loatra satria feno lehilahy matetika ny “bar”. Nefa dia izany indrindra no toa nandrisika ny olon-dratsy hiditra tao. Navoaka ny basy dia nopoaka. Rifatra nitsoaka avokoa ny tao anatiny, ireo mpisotro toaka rehetra. Ireo indray ary no nampandre ny mpitandro ny filaminana taorian’izay. Moa va tsy mitovy amin’ireny sarimihetsika western ireny mihitsy ny zava-niseho? Ny zoma hariva, tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany tany no nitranga ny fanafihana. Ora izay maha-betsaka ny olona tao anatin’ilay bar no sady zoma mahafinaritra rahateo ny andro. Niezaka nanohitra ihany ny mpivarotra saingy be noho ny vitsy no sady nilamina rehefa nahita ny basy nirefotra. Vola 40.000 ariary izay maty ny harivariva teo no lasan’ireo olon-dratsy. Nikorontana tanteraka ny sain’ny mpisotro toaka ary na izany aza anefa mba nahavita nampandre ny mpitandro ny filaminana ihany ny sasany. Saingy efa tsy teo intsony ny jiolahy tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zandary. Mirongatra ny asan-jiolahy eny amin’ny manodidina iny raha araka ny fanazavan’ny mponina. Omaly koa dia fantatra fa nisy fanafihana vao maraina tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ankadiefajoro. Valo lahy nitondra basy ary nisaron-tava (izany hoe mety mahafantatra ny tompon-trano ihany) no nanatontosa an’izany. Mitentina 30 000 ariary ny volaa lasa niaraka tamin’ny entana maromaro. Efa nisy voasambotra momba ity raharaha farany ity, raha araka ny fanazavan’ny zandary.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser