- Publicité -
samedi, septembre 13, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Norobaina andian-jiolahy nirongo basy ny vola sy ny entana

Ambohimangakely : Norobaina andian-jiolahy nirongo basy ny vola sy ny entana

Trano mbola eo an-dalam-panamboarana no notafihan’ny jiolahy sahady. Ny alakamisy hifoha zoma teo, tokony ho tamin’ny misasakalina no tonga tao ny olona maromaro izay nitam-piadiana. Nisy ny nitazona poleta ary nisy koa ny nitondra zava-maranitra, raha araka ny fanamarihan’ny voatafika. Tany amin’ny rihana faharoa no niakatra ireo ary namaky ny varavaran-kely dia tafiditra tao an-trano. Nambanana tamin’ny basy ny olona ary avy hatrany dia namitsaka. Lasa ny vola mitentina dimy hetsy ariary, ny finday, ny fahitalavitra, ny solosaina miisa roa ary koa ny firavaka isan-karazany. Efa lasa ny jiolahy vao afaka nampandre ny zandary ny voatafika. Nanomboka teo ny fanidiana iny manodidina an’Ambohimangakely iny. Nampiana koa ny fisafoana kanefa tsy nahitam-bokany satria efa lasa lavitra ny mpanafika. Nandritry ny fitsirihan’ny zandary ny manodidina no nahitàn’ireo bala iray mbola tsy nipoaka ary mirefy 8mm.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici