- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Nosamborina toy ny jiolahy ireo zandary mamo

Ambohimangakely : Nosamborina toy ny jiolahy ireo zandary mamo

Nampahafantarin’ny lehibeny ity tranga ity ny Toby rehetra omaly nandritry ny “rassemblement” (sary tahiry)

Niainga tao Ankadilalana ny zandary marobe ary tsy niandry ela tamin’ny fidinana teny Ambohimangakely. Ny alin’ny zoma ihany dia voasambotra ireo zandary roa mamo ka nandratra olona ary koa nanapoaka basy. “Tsy miara-miasa amin’ny jiolahy izahay ary toe-javatra toa izany dia mifanohitra tanteraka amin’ny fitsipi-pifehezana eo anivon’ny zandarimaria. Nosamborina toy ny jiolahy izy roa lahy izay manana ny galona tsipika roa sy telo, miasa eo anivon’ny ‘Centre de Formation Spécialisée’ (CFS) Ivato ary avy hatrany dia naiditra violon” raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny zandary. Mafy ny fidirana an-tsehatra satria sady mamo ireo olona roa no koa mbola mitazona basy. Ahiana izany hitifitra ny namany izy ireo ary tsy maintsy nohamafisina araka izany sy nametrahana paika ny fomba nisamborana azy ireo. Taorian’izay dia nalefa avy hatrany tany amin’ny tobin’ny CFS ary naiditra “violon”. Farafahakeliny izy ireo dia 20 andro no tazomina ao anaty tranomaizin’ny zandary ary aorian’izay dia tokony horoahina, saingy io dia miankina amin’ny filankevitry ny fitsipi-pifehezana anatiny (conseil de discipline), raha araka ny lehiben’ny seraseran’ny zandary hatrany. Omaly alatsinainy tany amin’ny toby tsirairay avy dia nisy ny fizarana io vaovao io ho an’ny zandary rehetra, ary notsipihina tao anatin’izany ny fampahatsiahivina ny fitsipi-pitondran-tena tokony harahina. “Tianay mihitsy ny nisian’iny tranga iny mba hahafahan’ny zandary rehetra mandray ny hafatra fa tsy handefitra mihitsy ny fitantanana ary tsy hanao kiantranoantrano. Hampitainay aminareo ihany ny tohin’ity raharaha aorian’ny sazy miaramila izay azony” raha araka ny fanazavana azo. Raha hiverenana fohy dia avy nivoaka ny bar ireto zandary nania ireo ary namono ny olona telo izay sendra nifanena tamin’izy ireo teny amin’ny arabe. Soa fa nampandre ny mpitandro ny filaminana ireo olona. Nisy ny fidinana an-tsehatra tao anatin’ny fotoana fohy ary natao ny fisamborana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici