Tsy kely lalana ny ratsy. Ary tsy iza fa ny fianakavian’ny maty ihany. Toa izao ny fisehon’ny raharaha. Nisy lehilahy iray izay nanana aretina nikiky. Nanana fahasahirana ara-bola ny fianakaviany tamin’ny fitsaboana azy. Nandeha araka izany ny antsoavo tamin’ny tambajotra ho an’izay mba afaka manampy. Napetraka ny laharana Mvola sy ny hafahandefasana fanampiana ho an’izay mahatsiaro ho terem-panahy. Azo heverina ho nandeha araka ny tokony ho izy izany tany am-boalohany. Saingy na teo aza ny fialàna nenina araka izay tratra dia maty ihany ny narary. Tsy nisy fampahalalàna teo fa ny nitranga aza dia nivadika fanararaotana amin’izay ilay fitadiavana fanampiana. Hatramin’izao dia mbola avoaka ny sarin’ilay olona fony fahavelony ary kikisan’ny aretina. Dia mbola mitohy ihany koa ny antsoavo fitadiavana fanampiana. Toraka izany, mametraka laharana soa aman-tsara handefasana vola. Izany hoe efa mivadika fisolokiana tanteraka. Ilay olona eo amin’ny sary anefa efa ela no namoy ny ainy. Olona izay nahafantatra no nahatsiaro ho manana adidy nampitandrina ny mpampiasa tambajotra sosialy mba tsy ho roboka handefa vola satria efa maty ny olona voakasika. Mivoatra hatrany ny endrika fisolokiana amin’ny tambajotra sosialy ary hampiasaina hatramin’ny maty aza ankehitriny. Amin’ny gazety an-tsoratra dia takian’ny orinasa ny taratasy fanamarinana sy alàlana avy amin’ny manam-pahefana izay vao azo atsofoka ao ny momba ny fitadiavana fanampiana na koa ombay mitady. Amin’ny tambajotra kosa dia tena malalaka tanteraka, ary samy manao izay tiany, eny hatramin’ny mpisoloky.
D.R