- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Olona mitonona ho mpitandro filaminana mitondra basy sy maka vola

Ambohimangakely : Olona mitonona ho mpitandro filaminana mitondra basy sy maka vola

Velon-taraina ireo mponina eny amin’iny faritra Ambohimangakely sy ny manodidina iny, indrindra fa ny mpandraharaha eny an-toerana. Raha ny filazan’izy ireo dia misy olona manao andiany, mitonona ho mpitandro filaminana, manao fanamiana « tenue de combat » tsara ary miravaka fitaovam-piadiana, tonga mampiseho taratasy ary maka volabe amin’ireo mpandraharaha ireo. Mahavatra mitety ireo orinasa madinika eny an-toerana mihitsy ireto olona ireto amin’izany fotoana izany, izay milaza fa miasa eny amin’iny faritra Ambohimangakely iny, raha ny fitantaran’ireo mponina hatrany. « Tonga avy any izy ireo ary mampiseho taratasy, misy soratra tsy hay vakiana saingy kosa misy fitomboka » hoy ireo mponina. Tsy tena asehon’izy ireo mazava amin’izay fotoana izay ilay taratasy fa mody asehony dia ampiriminy haingana avy eo, raha ny fanazavana azo hatrany. Ary amin’izay fotoana izay izy ireo no manao amboletra fotsiny miditra ao amin’ilay toerana, ambara fa tokony hanaovana fizahana ifotony. Eo amin’izay no mitranga ny filam-baniny rehetra, satria dia lazain’ireto « mpitandro filaminana » ireto fa misy zavatra tsy ara-dalàna ao amin’ilay toerana ka hitakian’izy ireo volabe ny tompon-trano. Raha tsy manome vola eo ilay olona amin’iny fotoana iny, raha ny fantatra hatrany, dia mirarakompana ny fampitahorana sy fandrahonana isan-karazany. Fomba fiadina jiolahy vaovao indray ve, resaka fisolokiana amin’ny endriny vaovao sa karazan’irony mpaka « ecolage » irony ? Tsy fantatra intsony aloha fa dia efa maro ihany no tratran’ireto olona ireto, raha ny fanazavana teny an-toerana hatrany. Vao ny alatsinainy teo izao no nigadona teny an-toerana ireo olona ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser