- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Ramatoa avy nisy nanendaka, maty ho azy tanaty taxi-be

Ambohimangakely : Ramatoa avy nisy nanendaka, maty ho azy tanaty taxi-be

Vehivavy iray tokony ho 30 taona any ho any no namoy ny ainy tao anatina taxi-be iray mampitohy an’Andravoahangy sy Ambohimangakely omaly maraina. Araka ny filazan’ireo mpitsabo dia fijanonan’ny fo tampoka no nahazo ity ramatoa ity.

Mpivarotra eny amin’iny faritra Ambohimangakely eny ity renim-pianakaviana iray ity ary handeha haka entana aty an-drenivohitra no  nialàny tao an-trano, araka ny angom-baovao azo omaly maraina. Voalaza anefa teo fa toa hoe nisy nanendaka izy ary lasa avokoa ny vola sy ny zavatra rehetra teny aminy. Zara fa entana kely fotsiny no azony ary io izy handeha hitodi-doha handeha hamonjy fodiana io. Teny an-dalana anefa dia toa resin-tory izy. Tsy nisy niraika firy tamin’izany rahateo moa ireo mpandeha raha tsy efa tany amin’ny fiantsonana. Izy irery sisa no taraiky tanaty fiara ary rehefa niala ilay olona teo akaikiny dia nironjona fotsiny ary nidaboka avy eo. Notairina fa tsy nety nifoha. Teo vao taitra ny rehetra fa tsy mitempo intsony ihany koa ny fony. Nentina namonjy toeram-pitsaboana avy hatrany teo moa ity vehivavy ity, saingy ireo mpitsabo no nilaza fa efa tsy misy aina intsony io ramatoa io. Efa nampandrenesina mahakasika ity tranga ity moa ireo mpitandro filaminana any amin’iny toerana iny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici