- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Ramatoa mpivarotra rongony hikoizana voasambotry ny zandary

Ambohimangakely : Ramatoa mpivarotra rongony hikoizana voasambotry ny zandary

Anaty tavimandry (pô) no fanitrihany ireo rongony hamidiny, tamin’ny fahatongavan’ny zandary hisava ny tranony. Izy izay tsy iza fa ramatoa iray efa malaza ratsy amin’ny fivarotana rongony eny amin’iny faritra Ambohimangakely sy ny manodidina. Efa intelo nigadra araka ny fampitam-baovaon’ny zandary ity ramatoa ity, noho izay resaka fivarotana rongony izay hatrany, kanefa tsy mety fay. Izao dia voasambotra faninefany indray ary inoana fa hiverina any am-ponja faninefany ihany koa. Raha ny vaovao azo hatrany, dia efa namoahan’ny zandary taratasy fampikarohana azy ity ramatoa ity rehefa voatonotonona foana ny anarany ao anatin’izay resaka bizina rongony izay. Maro tamin’ireo mpidoroka tra-tehaky ny zandary mantsy no manonona ny anarany ho mpivarotra ireo « entana » fohan’izy ireo. Tsy hita tany amin’ny trano voalaza fa honenany foana anefa ity farany, rehefa tonga any ny zandary. Tamin’ity indray mitoraka ity, nahazo angom-baovao ireto farany fa misy ramatoa mpivarotra rongony hafakely eo Ambatomitsangana, ampitan’ny orinasa hafakaba iray, eny amin’iny faritra Ambohimangakely iny. Tsy hita endrika io mpivarotra io fa amina lavaka kely iray amin’ny rindrina no fanolorana ny vola sy famoahana ny « entana ». Nidina avy hatrany teny an-toerana ireo zandary ary tra-tehaka tao ilay ramatoa efa ela nokarohina. Nentina nihazo avy hatrany ny biraon’ny zandary moa ity ramatoa ity ho amin’ny famotorana azy indray.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

  1. Itony no karazan’olona tsy laitry ny fonja nefa tena manimba ny fiaraha- monina.
    Tsy fonja no mety aminy fa asaina manao adi-vory ireo voasazy mamerin ‘ eloka tsy ahafahany milefa sy mifandray @ny aty ivelany no sady lavitra ny fifaneraserana, dia ao izy no atoby sy manefa ny saziny.
    Travaux d ‘utilité générale et de redressement social.

  2. Si elle n’a pas de formation, ou un petit diplôme de couturière ou autres du même niveau et bien elle retombera dans ses travers à chaque fois qu’elle sortira de la prison.
    Moralité, il faudrait les instruire pendant leur séjour en prison .

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici