Manodidina ny tamin’ny sivy ora alina, tao anatin’ny haizina ny alatsinainy teo, no niseho ny lozam-pifamoivoizana. Lehilahy roa izay nandeha scooter no maty tao ambanin’ny kamiao izay nifaoka azy ireo. Potika tanteraka ny tenan’ireo tanora ary maty tsy tra-drano izy ireo noho ny fahavoazany. Samy nizotra ho any any atsinanana ny dian’ny kamiao sy ny moto, fa tsy nifanohitra akory ny làlana. Mbola tsy voafaritra mazava izay tena antony nahatonga ny roa tonta ho nifandona, saingy ny efa fantatra avy amin’ny filazan’ny olona, dia voafaoka ilay moto nitondra azy roa lahy. Vokatr’izany dia nianjera ireo farany ary nifatratra tao ambanin’ny kamiao; izay tsy tafajanona raha tsy lavidavitra kely. Namono olona indray izany ny fampiasana moto. Zary mateti-pitranga ny lozam-pifamoivoizana aterak’izany ankehitriny ary raha ny fanamariahana eo anivon’ny hopitaly izay matetika hivantanan’ireo maratra, dia voamarina fa ny moto no tena miteraka lozam-pifamoivozana betsaka eto amintsika, indrindra eto an-dRenivohitra. Vao iray volana lasa koa izay no nisy tranga nitovy tanteraka tamin’ity tetsy Ambohimangakely ity, saingy teny amin’ny By-pass izany no niseho. Teo am-pisongonana kamiao iray izay feno entana no voakasoka tampoka ny moto ary dia nifatratra tao ambanin’ilay fiara lehibe. Maty tsy tra-drano ny iray tamin’ireo mpandeha ary notetezin’ny kodiarana no nitarika izany. Tsy nisy aroloha rahateo ilay olona, hany ka nampitombo ny fahavoazany izay nitarika ny fahafatesany teo an-toerana ihany izany. Etsy an-danin’izay, isan’ny tsikaritra koa fa mampitombo ny lozam-pifamoivoizana eo amin’ny moto sy ny fiara, dia ny tsy fitovizan’ny fijery eo amin’ny samy mampily izany. Na ny adihevitra aza dia mirona hatrany any amin’ny hoe matoa moto no andehanana, dia tokony ho afaka misisika izay ary tokony hanaiky izany ny mpitondra fiara. Ny mpamily fiarakodia indray dia misy ireo izay leo izany ary mizara ny heviny toa ny hoe tsy misy afa-tsy iray ihany ny tokony harahina, dia ny lalanan’ny fifamoivoizana izany. Indraindray aza dia tonga hatramin’ny fifampihantsiana mihitsy ny adihevitra eny anivon’ny tambajotra sosialy, satria tsy mety mifanaraka ny hevitry ny roa tonta. Raha ny marina anefa, dia tsy misy afa-tsy zavatra roa ihany no tokony hampihena ny loza ateraky ny moto sy ny fiara, dia ny fifanajana sy fifandeferana izany.
D.R