- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Roalahy mpangalatra môtô noraisim-potsiny

Ambohimangakely : Roalahy mpangalatra môtô noraisim-potsiny

Tany amin’iny faritra Andranomena iny no nangalarin’ireto tontakely ilay môtô cross marika « kinlon », tany Alatsinainy Betsizaraina no saika hitadiavan’izy ireo mpividy. Soa ihany fa efa mailo ireo fokonolona ka niantso zandary haingana. Noraisim-potsiny ireo mpangalatra.

Tsy vitan’ireo mpitandro filaminana irery ny fampandriana fahalemanana ny tanana iray, ary efa voalazan’izy ireo ombieny ombieny izany. Tsy maintsy misy ny fiaraha-miasa eo anivon’ireo fokonolona izay. Nahitam-bokany tokoa izany fiaraha-miasa izany tetsy Ambohimangakely, izay ifandrimbonan’ny zandary sy ireo mponina,  ny herinandro lasa teo. Nihena roa indray aloha mantsy ireo jiolahy mpangalatra môtô izay efa mampikaikaika ireo tia mampiasa kodiaran-droa. Sendra teo am-pitadiavana mpividy, môtô cross iray avy nangalarin’izy ireo tokoa mantsy ireto roalahy no sendra ny « taolana ». Araka ny fanazavàna azo avy amin’ireo zandary dia nokasain’izy ireo hamidy iray hetsy ariary monja ilay môtô, izay tombanana ho any dimy tapitrisa ariary mahery tany ho any. Noheverin’izy ireo fa ho roboka tokoa ny olona maheno ilay vidiny, kanjo izay varo-boba izay indrindra no namadika azy ireo. Avy hatrany mantsy dia niantso zandary avy hatrany ireo mponina fa mampiahiahy tanteraka ireto roalahy ireto. Tonga avy hatrany teny an-toerana ireo mpitandro filaminana, ary raikitra ny fifanenjehana. Tsy ela dia voasambotra izy ireo. Ilay môtô halatra kosa efa nataon’izy ireo tsara pirina tanaty kirihatra. Efa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana moa izy roalahy ireto taorian’ny famotorana azy, ary nadoboka am-ponja avy hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici