Tratry ny zandary, ny alakamisy teo, tetsy Mahazo ny roalahy, raindahiny amin’ny fangalarana « Sprinter ». Ny iray tamin’izy ireo aza moa dia mbola tratra am-bodiomby nitondra fiara halatra hafa. Araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny Zandarimariam-pirenena, dia ny herinandro lasa teo no nisy nametraka fitarainana ny amin’ny fahaverezan’ny fiarany taxibe iray, ny zandary teny Ambohimangakely. Tsikaritra teny Ambohimalaza anefa io fiara io, nentina olona iray, izay tsy iza fa mpamily vaovao, vao avy noraisin’iretsy voalohany hiasa, saingy nanjavona niaraka tamin’ny fiara. Rehefa nifanenjahana ilay mpamily, dia nitsoaka ary namela ilay fiara; izay efa voaomana ny hovaina loko. Rehefa nandeha ny fanadihadiana, dia nisy nahafantatra ny naman’ity olon-dratsy tafatsoaka ity, ka noraisim-potsiny ary nilaza fa io mpamily io no tena atidoha mikotrika ireo fangalarana fiara. Ity namany ity no nasaina niantso ilay tafatsoaka, saingy ny tsy nampoizina dia efa velam-pandriky zandary izy io. Ka io tratra io ranamana, izay mbola nitondra fiara « sprinter » halatra hafa indray koa. Araka ny filazan’izy ireo tao anatin’ny fanadihadiana, dia any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny no fanafenan’izy ireo ireo fiara avy nangalarina. Ary any amin’iny faritr’ Ambohimanambola iny kosa no toerana fanamboarana sy fanovàna tanteraka ilay fiara. Tsy mijanona hatreo, fa mbola mitohy kosa ny fanadihadiana mikasika ity tambajotrana mpangalatra fiara ity, raha ny fampitam-baovao azo hatrany.
m.L