- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Rongony nafenina tao anaty pô

Ambohimangakely : Rongony nafenina tao anaty pô

“Maman’i Mija”, anara-petaka an’ny ramatoa iray izay efa tena fanta-daza tanteraka amin’ny resaka fanaparitahana sy ny fivarotana rongony eny amin’iny faritra Ambohimangakely eny. Na dia efa fanta-daza tahaka izany aza ny anao vavy, dia tsy nisy porofo mihitsy hatramin’izay nahafahan’ireo mpitandro filaminana nisambotra azy. Hain-dramamany tsara mantsy ny manafina ireto zava-mahadomelina hamidiny, izay tsy aiza fa anaty tavimandry na pô.

Tamin’ity indray mitoraka ity, ny andron’ny talata lasa teo, rehefa nisy ny fahatratrarana fonosana rongony tany amin’ny lehilahy iray teny amin’iny faritra Ambohimangakely iny ka voatonona tamin’izany ny anaran’i “maman’i Mija” dia niroso tamin’ny fanadihadiana lalina sy ny fomba hisamborana an’ity vehivavy ity ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimangakely. Natao avy hatrany ny fidinana ifotony teny amin’ny tranony teny Ankadindambo, kaominina Ambohimangakely ary natao ny fisavàna ny tranony, taorian’ny alalàna nomen’ny fitsaràna. Rehefa nisava anefa ireto mpitandro filaminana dia tsy nahita n’inona n’inona tokoa. Saingy tsy misy zava-dratsy afenina tsy ho hita izany anefa. Tamin’io fotoana io dia nilaza fa tena hivalan-drano ny anao vavy, ary namoaka ilay tavimandry, izay tena mantsina tokoa, hoy ny loharanom-baovao. Nihevitra ny anao vavy fa ho kivy amin’ny fofona ireto mpisava ka hiala maina, kanjo izay fihetsika izay indrindra no nahamailo ireto mpitandro filaminana sy nisavàna ity pô. Akory tokoa, fa dia hita tao ny fonosan-javatra maromaro, izay tsy inona fa rongony efa vita fono, nahatratra teo amin’ny 40 isa teo. Mbola nahitàna fanafody gasy ihany koa tao aminy. Tsy nisy alaharo alaharo moa fa dia nentina avy hatrany ramatoa be niaraka tamin’ireto fonosan-drongony, izay porofo ampy tsara, hanjehana azy sy  eo anivon’ny Fampanoavana. Fa mialoha izay dia tsy maintsy natao ny fakàna am-bavany azy, teny anivon’ny biraon’ny zandary ao Ambohimangakely.  

Anisan’ny ady iray imasoan’ny eo anivon’ny zandamariam-pirenana tokoa ny ady amin’ny fiparitahana sy ny fandraisana rongony. Efa fantatra sy iarahan’ny rehetra mahafantatra mantsy fa ny fandraisana azy ireny dia mazàna mitarika sy mampirongatra izay tsy izy ny resaka tsy fandriam-pahalemana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici