- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Sady maty ny mpitaingina no nisy nangalatra ny moto

Ambohimangakely : Sady maty ny mpitaingina no nisy nangalatra ny moto

Namoizana ain’olona iray ihany koa tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny, ny alin’ny zoma lasa teo, tetsy Ikianja Ambohimangakely. Mpitondra moto iray no maty tsy tra-drano, vokatr’izay. Araka ny fampitam-baovao azo tamin’ny mpitandro filaminana misahana iny faritra iny, ny avy ao amin’ny tobim-paritry ny zandary ao Ambohimangakely, dia fantatra fa somary nandeha mafy ity môtô ity. Iarahan’ny rehetra mahalala anefa fa fidinana, valiana fihodinana tampoka izany ity lalana iny ary efa maromaro ihany ireo lozam-pifamoivoizana nitranga teo. Mazàna, hoy ireo mpitandro filaminana, dia saika ireo fandehanana mafy io foana, ary tsy fahafehezana intsony ny familiana no mahatonga ny loza, indrindra ho an’ireo môtô. Azo heverina tokoa araka izany fa izay toe-javatra izay no niseho tamin’io alin’ny zoma io. Mafy dia mafy tokoa ny dona nahazo izany kodiaran-droa izany, ary nipitika lavitra ilay toerana nitrangan’ny loza ny mpitondra azy. Nandriaka teo ny rà. Olona sendra nanaraka ity tovolahy niharan-doza ity tato aoriana no avy hatrany dia namonjy ary nitondra azy tany amin’ny hôpitaly tsy lavitra teo. Indrisy anefa, raha ny vaovao azo fa tsy tana intsony ny ainy, noho ireo ratra nahazo azy. Tonga teny an-toerana ihany kao moa ireo zandary, nijery ifotony ny zava-nisy. Fanararaotana. Amin’ny toe-javatra tahaka itony tokoa dia tsy ilaozan’ny mpanararaotra tokoa. Araka ny fanazavana azo mantsy, dia niangaviana olona fotsiny no nitondra ilay môtô nanaraka an’ilay tovolahy tany amin’ny hôpitaly. Tonga tsara tany tokoa izy io, raha ny angom-baovao azo hatrany saingy, nony kelikely dia tsy hita tany nanjavonana intsony, ilay mpitondra azy, niaraka tamin’ilay môtôn’ilay niharan-doza. Ary tsy mbola hita hatramin’ny omaly nanoratanay. Efa eo an-dalam-pikarohana izany moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana, manampy ny fanadihadiana ataon’izy ireo tamin’ilay lozam-pifamoivoizana nitranga.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici