- Publicité -
lundi, août 18, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely - Sprinter sy moto nifandona : olona iray no maty

Ambohimangakely – Sprinter sy moto nifandona : olona iray no maty

Zava-doza mahatsiravina indray no nitranga tany Ambohimangakely ny harivan’ny alahady 29 aogositra lasa teo. Fiara Sprinter iray avy any Toamasina hihazo ny renivohitra no nifanena tamina moto iray avy any amin’ny By-pass teo amin’ny sampanan-dàlana Ambohimangakely ka namono nahafaty ilay mpitondra moto, izay vao manodidina ny 22 taona monja. Tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany hariva tany ho any no nitrangan’ny loza. Hatreto, tsy mbola voafaritra mazava izay tena fototry ny loza. Efa tonga teny an-toerana ihany ny zandary avy ao amin’ny borigady Ambohimangakely nanao ny “constat” ka ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa vao avy novidian’ilay tovolahy io moto nentiny io. Nanao programa ny hisotrosotro toaka niaraka tamin’ny namany izy nialohan’io loza io anehoany ny hafaliany. Taorian’izay dia nanandrana nitondra voalohany ilay moto novidiany izy, saingy noho ny hamamoana teo aminy dia tsy voafehiny intsony ny familiana izany ka izao nitarika ho amin’ny fahafatesany izao. Marihina fa mbola nisy aina izy taorian’ny loza nahazo azy na dia naratra mafy aza, saingy noho ny haben’ny rà very taminy dia maty ity farany fotoana fohy taorian’ny nahatongavany teny amin’ny hopitaly. Tsy dia nahitana fahasimbany ilay fiara Sprinter fa ny “retroviseur”-ny fotsiny no niala. Ilay moto kosa dia tsy nisy nahafantarana azy intsony fa potika tanteraka tsy nisy noraisina. Efa nalain’ny BMH ny razana ary efa naterina eny amin’ny tranom-paty eny amin’ny HJRA. Efa tonga nijery izany ihany koa ireo fianakaviany. Misokatra hatrany ny famotorana manoloana ny lozam-pifamoivoizana ahafatesana olona tahaka ity ka ny borigady Ambohimangakely no misahana feno ny raharaha.

Niony H.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici