- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Tambajotra mpamotsy omby halatra ravan’ny zandary

Ambohimangakely : Tambajotra mpamotsy omby halatra ravan’ny zandary

Manomboka any amin’ny fangalaran’omby, mandalo amin’ny fanovana ireo taratasin’omby, ka hatramin’ny famonoana izany sy hivarotana azy eny an-databatra. Efa tambajotra matanjaka mihitsy ny ao ambadik’ireo mpangalatra omby eto Andrenivohitra. Sendra ny nahay azy anefa izy ireo ka sarona ihany nony farany. Olona valo no voasambotry ny zandary avy etsy Ambohimangakely mahakasika ity trangana famotsiana omby halatra ity. Tafiditra ao anatin’izany, ny mpivarokena iray sy ny mpiray tsikombakomba aminy ary ireo mpividy halatra. Ny alakamisy teo no sarona ity tambajotra ity, teny amin’iny faritra Falimanjaka Behintsy iny avy amin’ny angom-baovao azon’ireo mpitandro filaminana, rehefa voasambotra ny olona telo nampiahiahy. Teo am-pitaterana hena omby marobe avy novonoina  ao anaty fiara mantsy izy ireo tamin’io fotoana io, andro efa hariva. Nosavaina avy hatrany ny taratasin’izy ireo mahakasika ireo omby novonoina. Voamarika avy hatrany anefa fa hosoka avokoa ireo taratasy teny am-pelan-tanan’izy ireo. Nanomboka teo ny famotorana lalina nataon’ireo zandary, ka nahafahana nisambotra ireo namany hafa. Fantatra tamin’izay fa soniana tompon’andraiki-panjakana hosoka avy eny amin’iny faritra Ambohidratrimo iny no nataon’izy ireo tao anatin’ireo taratasin’omby ireo. Ary any amin’iny faritra Falimanjaka iny no toerana famonoan’izy ireo omby vao avy nangalarina sy alefa eny amin’ny toeram-pivarotan-kena. Omaly ihany moa no natolotra ny Fampanoavana  ireto valolahy anaty tambajotrana mpamotsy omby halatra ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici