Tambajotra mpangalatra fiara iray indray no ravan’ny zandary. Olona enina no voarohirohy amin’izany, izay atolotra ny Fampanoavana anio.
Mandroseza, Ambohimanambola, Ambohimalaza, Analavory … Saika lavitra ny renivohitra avokoa ireo toerana fanovànan’ireo olon-dratsy ireo fiara « sprinter » vao nangalariny. Miroso hatrany ny fanadihadiana nataon’ireo zandary avy etsy Ambohimangakely, mahakasika ilay halatra « sprinter » nitranga teny amin’ity faritra ity, ny herinandro lasa teo. Fantatra ary, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary teny an-toerana, fa tafiakatra enina ireo olona voasambotra sy voarohirohy tamin’ity resaka ity. Tsiahivina fa ny alakamisy lasa teo no efa nisy roa nosamborina, izay tsy iza fa ny atidohany sy ny mpanampy azy. Niampy efatra hafa indray izany taty aoriana, taorian’ny fanadihadiana natao tamin’izy roalahy ireto. Araka ny loharanom-baovao hatrany, dia tany Analavory no noraisim-potsiny ny telolahy, izay mbola teo am-pandokoana fiara halatra hafa ihany koa. Tamin’izany ihany koa, raha ny fanazavana azo hatrany no mbola nahitana fiara iray hafa, izay efa teo an-dalam-piovana mihitsy. Vao avy azon’ireo mantsy ny fiara dia ravàny tanteraka, ary averiny lokony indray avy eo, mba tsy hamantaran’ny tompony azy. Taorian’io dia nanondro naman’izy ireo hafa ihany koa ireto tontakely ireto, izay mipetraka eny Mandroseza. Raha ny filazan’ireto olon-dratsy ireto mantsy dia any amin’ireo toerana ireo, miampy ny any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny no toerana fitondràn’izy ireo ireo fiara halatra. Marihina fa niainga avy tamina fitairanana olona very fiara taxibe « sprinter », ka ny nahitana izany tampoka teny Ambohimalaza no niandohan’ity fisamborana nisesisesy ity.
Anio no atolotra hohenoin’ireo mpitsara mpanao famotorana izy enin-dahy mpangalatra fiara ireto. Inoana araka izany fa mba hilamindamina indray ny halatra « sprinter », izay mampikolay ireto tompona « taxibe » eto an-drenivohitra taorian’izay vokatra azon’ny zandary izao.
m.L