- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Tambazotran-jiolahy mpangalatra jirona fiara, ravan’ny zandary

Ambohimangakely : Tambazotran-jiolahy mpangalatra jirona fiara, ravan’ny zandary

Ny jiron’ny fiara no angadin-dry zalahy ireto. Tsy mifidy io na jiro aloha na jiro afara fa izay sendra azy ireo dia mitondra faisana aloha, eny fa na dia mihidy aza ny fiara. Eny amin’iny faritra Ambohimangakely iny, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary dia efa tena mampikolay ireo mpanana fiara izany halatra jiro sy ireo kojakojan’ny fiara izany. Toy ny nitranga tetsy Behitsy, Ambohimangakely, ny herinandro lasa teo. Tafiditr’ireo mpangalatra an-tsokosoko tao amin’ny trano iray, ny alina, ary nanararaotra nandrava sy nibata izay zakan’izy ireo tamin’ilay fiara namboarina ireo olon-dratsy : ny jiro rehetra, ny parechoc, ny radiateur, … Niditra an-tsehatra avy hatrany ny zandary avy etsy amin’ny tobim-paritra Ambohimangakely ary nanao ny fikarohana ireo olon-dratsy. Tao anatin’ny angom-baovao isan-karazany ary no nahafantaran’ireo mpitandro filaminana, ny fisiana tovolahy, izay fantatra fa nahitàna karazana jiro nitovy tamin’ilay very, tao an-tranony. Nisy avy hatrany ny fidinana teny ifotony, ary akory ny hagagan’ireo mpanao fisavàna fa feno karazana jirona fiara efa niasa tao aminy. Entana izay mazava ho azy fa tsy fantatra avokoa ny loharano niaviany. Tao anatin’ireto karazan’entana ireo no nahitàna ilay jiro very tetsy Behitsy, ary izy rehetra mihitsy fa tsy mba hoe ny iray akory. Nentina notanana natao famotorana avy hatrany ity farany. Nibaboka sy nanoro ny namany iray, mpiray petsapetsa aminy amin’ny halatra jirona fiara. Noraisim-potsiny tetsy Andohatapenaka, moa ity namany ity. « Heverina fa mbola misy naman’izy ireo hafa any, hoy ny teo anivon’ny zandary, ka manentana hatrany ny fiaraha-miasa amin’ireo vahoaka, entina hamongorana ireto tontakely ireto »

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici