- Publicité SW45 -
mardi, mai 14, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Tokantrano roa nasesin’ny jiolahy, mpiambina roa ahiahiana

Ambohimangakely : Tokantrano roa nasesin’ny jiolahy, mpiambina roa ahiahiana

Nisehoana fanafihana mitam-piadiana teny Betsizaraina Ambohimangakely, ny alakamisy maraina lasa teo. Jiolahy efatra, tsy misaron-tava, nitondra zava-maranitra sy barre à pince, raha ny filazan’ny tompon-trano no nanao amboletra niditra tao an-trano, raha ny filazan’ny tompon-trano iray. Tokantrano roa be izao, mifanakaiky mantsy, io maraina io, tokony ho tany amin’ny 2 ora sy sasany tany no nasesisin’ireto jiolahy ireto. Vokany : olona roa naratra mafy, solosaina entin-tanana sy vola 160.000ar no very, raha tsy fantatra mazava kosa ny totalin’ireo zavatra very tao amin’ilay tokantrano iray. Araka ny vaovao voaray dia, raha niseho ireto fanafihana ireto dia niantso vonjy avy hatrany ny mpiambina tao amin’ilay trano voalohany. Ramatoa, izay irery tao an-trano, kosa dia nandeha niafina ary tsy hita raha tsy efa nazava ny andro. Samy naratra avokoa na ny mpiambina tetsy amin’ilay trano voalohany na ilay tompon-trano tao amin’ilay trano faharoa. Nampiseho fihetsika mampiahiahy ihany koa, tetsy andanin’izay, ny mpiambia roalahy tamina trano tsy dia lavitra loatra ireto tokantrano voatafika ireto. Na dia nahare ny antso vonjy natao azy ireo aza mantsy ireto olona ireto, tsy nanatona mihitsy, eny fa na dia efa tonga teny an-toerana aza ireo mpitandro filaminana. Voatery nentina natao fanadihadiana avy hatrany moa izy roalahy ireto raha ny vaovao voaray hatrany. Fa mbola nisehoana fanafihan-jiolahy ihany koa teny Analamahitsy, omaly maraina. Mpitandro filaminana nanao fisafoana teny an-toerana no nahalalana fa fivarotana iray no voatafika. Tsy fantatra ny zavatra lasa. Tsy fantatra rahateo ihany koa ireo mpanafika. Efa misokatra ny fanadihadiana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser