Nitrangana habibiana indray teny amin’iny faritra Ambohimangakely iny, ny talata lasa teo. Rangahy iray, tokony ho 50 taona mahery any ho any no maty rehefa avy notsindronin’ny zana-badiny antsy. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay tena zava-niseho marina tao amin’ny tokantranon’ireto mpianaka ireto, tao amin’ny fokontany Betsisy, ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Fifamaliana mafimafy teo amin’izy mianaka no henon’ireo mponina manodidina. Niafara tamin’ny fikasihan-tànana mihitsy moa izany, ary ny kiaka tokana sy ny antso vonjin’ireo fianakaviana no nanaitra ny maro. Tsy nisy afa-tsy rangahy lehibe efa milona anaty rà anefa no hitan’ny rehetra. Nentina novonjena haingana tany amin’ny hôpitaly ity rangahy ity, saingy noho ny halalin’ny ratra dia tsy tana intsony ny ainy. Nanandrify ny fony mihitsy mantsy ny tsindrona antsy, izay voalaza fa nataon’ilay tovolahy zana-badiny nifamaly taminy. Nitsoaka ary hatreto dia tsy mbola hita tany nanjavonana ity tovolahy ity. Ny filazan’ireo mponina teny an-toerana no nahafantarana fa matetika mpifamaly izy mianaka ireto, saingy izao niafara tamin’ny famonoana izao mihitsy; izay tsy fifankahazoana izany. Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny famotorana ataon’ireo zandary misahana iny faritra iny sy ny fikarohana ity voatondro ho nahavanon-doza ity.
m.L