- Publicité -
jeudi, août 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Tovovavikely nisy nanolana, hita faty tanaty kirihitra

Ambohimangakely : Tovovavikely nisy nanolana, hita faty tanaty kirihitra

Habibiana tsy roa aman-tany indray no niseho teny Ikianja, Ambohimangakely, ny alatsinainy folakandro teo. Tovovavikely, manodidina ny 15 taona tany ho any, no hita faty tanaty lobolobolo tsy lavitry ny tanana. Niboridana tanteraka ny tapany ambany raha ny filazan’ireo manodidina. Ny fizahana nataon’ireo mpitsabo tamin’ny razana no nahafantarana fa avy naolana ity tovovavy ity. Tsy vitan’izany anefa fa mbola notaperin’ireo tsy mataho-tody ny ainy, rehefa avy nahavita ny filàn-dratsiny izy ireo, ary dia io natsipin’izy ireo tao anaty lobolobo io. Araka ny fitantaran’ireo olona teny an-toerana dia ankizy sendra nilalao no nahita ity razana ity, tokony ho tamin’ny telo ora tany ho any. Miendrika olona matory anaty kirihitra ny fahitana azy, fa ny nanaitra ireo ankizy ireo dia ny tsy nisian’ny akanjo tamin’ny tapany ambany. Nampandrenesina avy hatrany ireto tompon’andraikitra isan-tsokajiny, izay niolomay tonga teny amin’ny toerana nahitana ny razana. Marihina fa mpianatra amin’ny taona fahafito amina sekoly iray, tsy lavitra ny toerana nahitana ny vatana mangatsiakany ity tovovavy ity, araka ny nambaran’ireo mponina teny an-toerana ihany. Nanambara ny avy amin’ny zandary miahy iny toerana iny fa efa misokatra ny fanadihadiana momba ity vono olona miharo fanolanana ity. Inoana fa hivaly tsy ho ela izany. Miaina ao anaty tebiteby tanteraka mantsy ireo mponina eny amin’iny faritra iny amin’ity firongatry ny tsy fandriam-pahalemana eny an-toerana ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser