Hain-trano mahatsiravina indray no nitranga tetsy Ambodivoara, Ambohimangakely omaly maraina. Trano lehibe iray, niaraka tamina trano hazo telo sy fiara efatra no indray levon’ny afo. Tsy nisy ny aina nafoy aloha na ny olona naratra, raha ny vaovao azo teny an-toerana. Na izany na tsy izany dia tafakatra an-tapitrisany maro dia maro ny totalim-bidin’ireo zavatra simba. Tokony ho tamin’ny valo ora maraina tany ho tany no nitranga ny loza, raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso. Irony orinasa kely miasa momba ny hazo irony ity nirehitra ity. “Court-circuit” avy amina masinin-kazo iray tao an-toerana no niteraka ny firehetana. Nahazo ireo karazana taim-bakona sy hazo maina mora mirehitra ny tselatr’afo ka dia nidedaka. Tao anatin’ny fotoana vitsy monja dia nijoajoala izany, nandevona ireo rehetra nandalovany. Ambonin’ny fisian’ireo hazo sy fitaovana mora mirehitra, mbola nanampy trotraka ihany koa ny toetr’andro, izay sady mafana no nandrivotra. Vokany, may kila tsy nisy noraisina ilay trano hazo fiasàna voalohany, nanaraka ireo trano hazo manodidina, nihazo ilay vatan-trano lehibe. Tsy vitan’izay fa mbola nihazo ilay toerana fijanonan’ny fiara teo akaiky teo ihany koa ny afo. Fiara maromaro tao no nivadika ho lavenona sy karaokam-by. Fiara madinika isan-karazany ary kamiô iray. Raha atotaly dia fiara efatra no indray kila hotohoto tsy nisy noraisina. Ny hafa kosa mba voavonjy ihany saingy tsy namelan’ilay afo mpandrava raha tsy nisy diany. Tao anatin’ny korontana sy sakoroka tanteraka ny teny an-toerana, samy nibata, namonjy izay entana kely azo navotana ny tsirairay. Niara-nientana avokoa ireo fokonolona, saingy tsy fantatra intsony, tao anatin’izany rehetra izany, ny mpanararaotra, izay efa niandry ireo tatireraka fotsiny. Noho ny halavitry ny toerana ary hiaraha-mahalala ny fitohanana amin’iny lalana miatsinanana iny, somary taraiky ireo mpamonjy voina. Ora vitsivitsy taorian’ny firehetana mantsy vao tonga izy ireo. Na izany aza, fotoana vitsy ihany dia voafehy sy maty tanteraka ny afo, nampiseho ireo hany tapa-porohana sy karaokam-by navelan’ny hain-trano ity.
m.L