- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Trano fivarotana voninkazo kila forehitra

Ambohimangakely : Trano fivarotana voninkazo kila forehitra

Teo Ankadiefajoro no nitranga ilay hain-trano, omaly tokon ho tamin’ny telo ora sy sasany tolakandro. Niainga tamin’ny “court-circuit” ny firehetana ary vetivety izany dia nahazo vahana noho ny rivotra. Tsy matin’ny rano natsipy intsony ny afo na dia niezaka aza ny olona nanao izay ho afany. Nojerem-potsiny sisa rehefa tena niredareda ary niandry izay nigadonan’ny mpamonjy voina. Voafehy ihany anefa izany tokony ho adiny iray taty aoriana ary teo no nahafantarana fa may tsy nisy noraisina intsony ny trano sy ny entana rehetra tao anatiny. May ny voninkazo amidy sy ny fanaka. Ravan’ny afo koa ny masinin-kazo tao anatiny satria sady toerana mpanao hazo izy io raha araka ny fanampim-baovao. Na izany aza anefa mba tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra. Ny ankamaroan’ny hain-trano mitranga eto an-drenivohitra dia saika avy amin’io olana amin’ny herinaratra io avokoa. Ireny toeram-piasana fanaovana asa tànana ireny no matetika nitrangan’izany. Ny antony dia misy ny olona tsy mivaky loha firy amin’ny saron’ny ‘fil” kanefa herinaratra matanjaka no lalaovina. Isan’izany ireny mpanao “soudure” ireny. Mahatsikaritra ny maro fa atambatra fotsiny ny “fil” dia raikitra ny asa. Eo koa ireny mpanao kodiarana eny amin’ny sisin-dàlana ireny. Raha vao hadinodino ny fitsipiky ny fampiasana herinaratra dia mety hitera-doza toy ny firehetan’ny trano, trano izay matetika trano hazo, hany ka vetivety dia ravan’ny afo ary koa miparitaka eo amin’ny manodidina ny firehetana. Miverimberina hatrany izany amin’ny trangan’ny firehetan’ny trano eto an-drenivohitra. Etsy andanin’izany koa, tsy mba misy ny fepetra faran’izay kely raha sendra misy ny firehetana. Vitsy ihany ny toerana mpanao asa tanana manana ireny “extincteur” ireny, kanefa tena mahavonjy izany amin’ny andro sarotra. Ny mpamonjy voina efa iaraha-mahalala fa tsy ho tonga vetivety mihitsy noho ny fifamoivoizana sarotra eto an-drenivohitra. Mety mba mahavita izany vitany ireny fitaovana tsotra ireny mandra-pahatongan’ny mpamono afo.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici