- Publicité -
jeudi, juin 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Tratra teo am-panafihana tokatranon’olona i Banga

Ambohimangakely : Tratra teo am-panafihana tokatranon’olona i Banga

Tokantrano iray teny amin’iny fokontany Tsarahasina, ao amin’ny kaominina Ambohimangakely, no lasibatry ny asan-jiolahy ny alin’ny alahady lasa teo tokony ho tamin’ny misasakalina. Jiolahy rain-dahiny roa, fantatra amin’ny anarana hoe Solo sy Banga, izay fanta-daza eny an-toerana no avy hatrany dia voamarik’ireo voatafika, araka ny tatitra azo avy tamin’ny zandary. Ity farany moa izay voasambotra avy hatrany, taorian’ilay fanafihana. Tokony ho tamin’ny misasakalina teo no nitranga ity fanafihana ity, raha niditra avy hatrany sy nanao amboletra tao amin’io tokantrano io ireo olon-dratsy. Nandrahona avy hatrany ny hitifitra izy ireo, tamin’izany raha tsy manome izay tadiaviny ny tompon-trano. Araka izany vola, 150.000 ariary niampy solosaina sy fitaovana eletronika lafovidy maromaro no lasan’izy ireo. Tazan’ireo voatafika anefa fa tsy nisy fitaovam-piadiana akory teny an-tanan’izy ireo ka niantso vonjy avy hatrany ireto farany. Nitsoaka kosa tetsy andanin’izay ireo mpanafika, ary io tsy lasa lavitra io ny iray dia voasambotra. Mitohy kosa ny fikarohana ireo olon-dratsy hafa, ataon’ny zandary avy ao amin’ny borigady Ambohimangakely.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici