- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Valo lahy nanafika, lasa ny vola sy ny coffre

Ambohimangakely : Valo lahy nanafika, lasa ny vola sy ny coffre

Ny alarobia 12 febroary vao mangiran-dratsy tamin’ ny iray ora maraina no tonga nandroba tao amin’ ity tokantrano iray ireto olon-dratsy . Ny varavarankely no nopoirin-dry zalahy ary nisy tamin’ izy ireo no nitondra basy kilalaon-jaza , tsy nahahetsika ny tao an-trano koa dia nanarampo ireto mpanafika.Lasa tamin’ izany  ny vola mitentina 200 000 ar,  solosaina iray, miaraka amin’ ny coffer-fort izay nitahiry basy PA 9mm marika VATRO sy cartouche 50 na bala. Voafitaka tokoa ny tao an-trano nohon’ ny haizina ka tsy nahatsikaritra ity basy plastika.

Tsy hay marina moa izay tao an-tsain’ ireto mpandroba fa dia mbola nentin’  ireto farany ihany koa ny zazavavikely vao efatra ambin’ ny folo taona monja , saika ny mbola hanao takalon aina angamba no tao an’ eritreriny, saingy tsy tapakevitra tampoka dia navotsitr’ izy ireo ihany.

Efa eo am-pelatanan’ ny Borigadin’ ny zandarimaria Ambohimangakely moa ny raharaha amin’ izao ary izy ireo ihany koa no miandraikitra ny famotorana sy ny fitadiavana izay ho mety nahavanon-doza.

ALEM

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser