- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Very ka hita indray ny moto an’i Pasitera

Ambohimangakely : Very ka hita indray ny moto an’i Pasitera

Efa nivadika ny lokony, efa tsy izy intsony ny môtera saingy soa ihany, tsy voatsikaritr’ireo olon-dratsy fa nasian’i Pasitera famantarana manokana ity fitaovana fampiasany ho amin’ny fitoriana ny filazantsara ity. Enim-bolana latsaka taty aoriana, very ka hita indray ny moto an’ingahy Pasitera. Ny voalohan-dohan’ny volana martsa lasa teo no lasan’ny « mpindrana tsy mahay mamerina » ny kodiaran-droan’ny mpitondra fivavahana iray tetsy Ambohimangakely. Raha mbola nitarika fotoam-pivavahana mantsy ity farany no nojaikon’ny olon-dratsy tsy an-kiteniteny ilay moto nipetraka teo an-tokontanim-piangonana. Taorian’io dia nametraka fitoriana avy hatrany ingahy mpitandrina teny anivon’ny tobim-paritry ny zandary teny Ambohimangakely. Nanomboka teo ny fikarohana ity fitaovana very ity sy izay olona nangalatra azy. Raha ny fampitam-baovaon’ny zandary dia hita ny alahady lasa teo izany moto izany, taorian’ny fikarohana isan-karazany. Tra-tehaka teny am-pelatanan’ny tovolahy iray mpanao taxi moto teny amin’iny faritra Isotry iny. Mazava ho azy, efa tsy ilay lokony tamin’izy teny am-pelatanan’ingahy Pasitera intsony ilay izy fa efa niova endrika tanteraka, eny fa na hatramin’ny motera aza, hoy hatrany ny vaovao. Nisy famantarana manokana napetraky ny tompony anefa tsy voakitik’ireo olon-dratsy ary izay zavatra izay no nahafahana namantatra avy hatrany ilay kodiaran-droa. Faktiora sandoka. Raha ny vaovao azo hatrany dia namidy tamin’ny alalan’ny faktiora hosoka ity moto halatra avy eny Ambohimangakely ity. Efa fifanarahana ara-barotra no hita teny amin’ilay olona nitondra azy natao taxi moto. Saingy tamin’ny alalan’izay no nahafahan’ireo mpanao fanadihadiana nisambotra ny olona niandohany. « Nilaza fa novidiany tamin’ny volana May 2023 tamin’olona tsy fantany tao Ampasika fokontany Anosimasina Kaominina Bemasoandro Distrikan’Antananarivo atsimondrano io moto io. Ary nahazoany lazam-bidy ». Toe-javatra hafahafa ihany teo imason’ireo zandary. Taiza tokoa moa no hisy olona hividy zavatra aman-tapitrisany kanefa tsy mahafantatra ny olona mivarotra izany akory ? Mazava ho azy fa namoronana faktiora hosoka ilay moto halatra ary nezahina namidy avy eo. Ity fanaovana faktiora hosoka ity mihitsy no tena fositra amin’ny halatra moto hoy ny zandary ka tsy maintsy fongorina. Ao anaty tambajotra sosialy ao tokoa dia hita fa tena maro izy ireo. Tsy miafina intsony ny sasany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici