- Publicité SW45 -
vendredi, mars 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Voasambotra ilay tovolahy nanindrona antsy ny rahavavin-dreniny

Ambohimangakely : Voasambotra ilay tovolahy nanindrona antsy ny rahavavin-dreniny

Herinandro mahery teo ho eo no nikarohan’ny zandary ity tovolahy nahavanon-doza ity. Namono nahafaty ny rahavavin-dreniny tamin’ny alalan’ny tsindrona antsy marobe. Voasambotry ny zandary avy etsy amin’ny tobim-paritra Ambohimangakely ny lehilahy, tao amin’ny toerana antsoina hoe Ambatomitsangana, ao amin’ny kaominina Ambohimangakely ihany. Omaly maraina no nahazo angom-baovao ireto zandary ireto fa hita teny amin’io toerana voalaza io, tao amin’ny fokontany Ankadindambo, kaominina Ambohimangakely ilay tovolahy nanindrona antsy ny rahavavin-dreniny. Tamin’io fotoana io ihany dia nidina avy hatrany teny amin’ilay toerana voalaza ireo zandary, hanamarina ny vaovao ary nivonona avy hatrany tamin’ny fisamborana. Tsikaritra teny an-toerana tokoa ilay tovolahy ary tsy niandrasana ela fa avy hatrany dia nopaingorina sy nentina faran’izay haingana namonjy ny biraon’ny tobim-paritra, hialàna amin’ny mety ho fisavoritahana na ny fikorontanan’ireo havan’ny maty. Ireto farany izay efa noezahin’ireo zandary nalamina saina. Notanana natao andrimaso avy hatrany izany ny tovolahy, ary efa manomboka ny famotorana azy. Tsiahivina fa ny faha-30 septambra lasa teo no nitranga ity vono olona ity. Niatomboka tamin’ny fifamaliana teo amin’ny zanak’ilay ramatoa sy izy ny raharaha. Nony nitsangana ho mpanelanelana anefa ilay nenitoany dia tany indray no nanamparan’ity farany ny hatezerany ary io namonoany ho faty azy io, tamin’ny alalan’ny tsindrona antsy maromaro teny amin’ny vatany. Marihina fa tratra tany aminy ireo karazan-java-maranitra, antsy sy vy norangitina, nentiny namono ilay nenitoany io.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici