Manomboka eo Ampasampito ka hatrany Ambohimalaza, mandalo an’Ambatomaro, Amoronakona (Bypass) sy ny manodidina rehetra iny dia samy efa nampahafantaran’izy ireo ny anarany avokoa : « wrong turn ». Efa maro ireo nitondra faisana sy lasibatr’izany andian-jiolahy izany, eny fa na hatramin’ny zandary aza dia nahavoaray fandrahonana ho faty tamin’izy ireo, raha ny fanazavana azo hatrany. Maromaro izy ireo no ao anatin’io fikambanan-jiolahy io saingy ny telo tamin’izy ireo aloha no tsy afaka hanohy intsony ny asa ratsiny. Ny iray tamin’izy ireo, dia fantatra fa jiolahy raindahiny anisan’ny mpiray tendro amin-dry Lamà (lehiben’ny mpaka an-keriny teto an-drenivohitra, maty voatifitra ny taona 2020).
Dimy andro no nanaovan’ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimalaza, Ambohimangakely ary ny zana-tobi-paritra Soamanandrariny ny hetsika fisamborana sy fandravàna ity andian-jiolahy ity. Nanomboka ny alarobia heriny teo izany, tamin’ny nahatratrana an’i Lavakely tao Ikianja Ambohimangakely. Nahitàna fitaovam-piadiana isan-karazany sy ny fitaovana entin’izy ireo manao ny asa ratsiny teny aminy tamin’izany, ankoatr’ireo entana halatra izay avy nanaovan’izy ireo « opération ». Nitohy ny zoma indray, rehefa fantatra fa anisan’ny ireo mpikambana tao amin-dry « wrong turn » no nanafika ilay olona miasa ao amin’ny orinasam-pifandraisana iray, ary nahaverezana vola misimisy ihany, niaraka tamin’ny entana lafo vidy maro isan-karazany. Nisy roa tamin’izy ireo indray no voasambotra dia i Rija Mainty sy Ramaitre. Niaraka notazomina natao andrimaso tany amin’ny biraon’ny zandary izy telolahy ireto, saingy efa nikasa ny hitsoaka ny fonjakely nitazomana azy ireo ny alin’ny sabotsy, hifoha pantekôsta teo. Tsy tanteraka ! Ny alahady alina, nanaiky mora izy roa lahy fa handeha hitondra ny zandary, hanoro ireo toerana niafenan’ireo namany hafa, Kaisara, Six ary Rasta. Teny an-dalana anefa, rehefa tafiditra ala izy ireo no nisy nitifitra. Voatery niaro tena ireo zandary ka raikitra teo ny fifampitifirana. Nanararaotra izany izy telo lahy, hoy hatrany ny vaovao ka saika hitsoaka. Teo no nahavoatifitra an’ireto farany ary namoizan’izy ireo ny ainy. Raha ny fantatra hatrany dia mbola nahitàna « ràn’olona voatifitra » sy « basy poleta 7,65mm » ary « bala miisa telo », teo amin’ny toerana nisian’ny fifampitifirana.
Nambaran’ny fampitam-baovaon’ny zandary hatrany fa efa eny am-pelatanan’ny fitsaràna ny raharaha. « Hamoahana fikarohana manokana ireo jiolahy telo mbola miariaria” hoy izy ireo.
m.L