Zazakely vao enim-bolana monja no tsy hita ny alarobia lasa teo, teny amin’iny faritra Ambohimangakely iny. Toa hoe efa namidy ity zaza ity ary saika hatao sorona, araka ny nambaran’ny reniny niteraka azy, izay voatery notazomin’ny zandary teny an-toerana. Araka ny fantatra dia ny rain’ity zaza ity no gaga rehefa tsy nahita ny zaza tao an-trano ary nanontany ny vadiny. Namaly tsotra ramatoa tamin’io fotoana io fa tsy hitany ilay zaza ary efa “namidiny” fa ho atao sorona. Tezitra tamin’izany ny fianakaviana ka nitondra ilay ramatoa tany amin’ny biraon’ny zandary hatao fanadihadiana. Ity fivarotany ny zanany ity foana anefa no nasesin’ity renim-pianakaviana ity, izay nohamarin’ireo zandary fa toa somary misy voa kely ny sainy. Nandray an-tanana ity raharaha ity avy hatrany ireo tompon’andraikitry ny filaminana ka nanomboka nikaroka ity zaza am-bolana ity. Ny ampitson’io, izany hoe ny alakamisy lasa teo no nisy nahatazana teny Ampasampito ity zaza ity, teny an-tanan’olon-tsy fantatra. Raikitra avy hatrany fifanenjehana raha ny vaovao hatrany, ka rifatra nitsoaka ity farany, namela ilay zazakely teo. Tsy nijanona teo anefa ny fanadihadian’ireo zandary fa nitohy hatrany. Tamin’izay no nilazan’ity renin’ilay zaza fa ramatoa “mpitaiza olona” eny amin’iny faritra Ambohimanarina iny no nasaina nitaiza sy nitazona ity zaza ity. Nidina teny an-toerana avy hatrany ireo mpitandro filaminana nisambotra ity ramatoa voalaza fa mpitaiza olona ity sy nitondra azy natao fanadihadiana. Mipetraka ny baraingo hatreto. Saika hatao inona marina ity zaza ity, ary nanao inona tany amin’ilay olona nitsoaka nandositra ? Raha ny fanazavàna azo dia mbola mitohy hatrany ny fikarohana ity farany. Tetsy an-danin’izay koa dia nandà ny fiampangana azy ilay ramatoa teny Ambohimanarina. Na izany na tsy izany anefa, ny angom-baovao azo no nahafantarana fa toa hoe efa nahitana diam-panjaitra maromaro ny tanan’ity zaza tsy manan-tsiny ity. Fantatra fa anio no atolotra hohenoina eny amin’ny Fampanoavana ireto ramatoa roa ireto : ilay renim-pianakaviana “nivarotra” ny zanany sy ilay mpitaiza olona voalaza fa nitazona ity zaza ity.
m.L