- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimiadana-Ambositra : Tokantrano  3 indray no lasibatra ny jiolahy

Ambohimiadana-Ambositra : Tokantrano  3 indray no lasibatra ny jiolahy

Mitohy tsy an-kiato ny asan-jiolahy eto an-tampon’ny tanànan’Ambositra, isan’alina, dia andrenesana trangan-javatra. Etsy an-daniny, dia tsy andrenesana feo mihitsy ny eo anivon’ny fiadidina ny tanàna sy ireo tomponandraikitry ny filaminam-bahoaka. Mandry an-diran’antsy ny vahoaka.

Ny zoma 14 desambra lasa teo, tokony tamin’ny 1 ora maraina, dia tokantrano miisa telo indray no lasibatr’ireo mpangalatra tao amin’ny fokontany Ambohimiadana, ka lasan’izy ireo tamin’izany ny vilany, ny lamba firakotra sy ny maro hafa. Soa ihany fa tsy misy ny olona naratra tamin’ireo vaotafika. Niezaka ireo mpira-monina manodidina nanapoka basy indroa, saingy efa lasa lavitra ireo jiolahy.

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici