Nandriaka indray ny rà teny amin’iny faritra Ambohimiandra iny, ny alarobia lasa teo. Ankizivakely iray no nodomina fiara ary namoy ny ainy rehefa tonga tany amin’ny toeram-pitsaboana. Araka ny fanazavàna avy amin’ireo mpitandro filaminana miandraikitra ny lozam-pifamoivoizana dia tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro teo no nisehoan’ny loza. Fiara kely iray no nirimorimo teny amin’iny faritra iny. Tamin’io fotoana io no sendra niampita tampoka ity ankizikely, izay manodidina ny sivy taona teo ho eo. Na dia niezaka ny niala ihany aza ny mpamily, tsy tana ihany ny loza, tao anatina feona kodiara nidrisina tamina arabe. Voapoaka mafy ity ankizy ity ary nipitika mihitsy. Mafy dia mafy ny dona nahazo azy. Teo amin’ny lohany no voa mafy raha ny vaovao azo hatrany. Nikoropaka avy hatrany ireo nanatri-maso, nitondra ity zaza naratra tany amin’ny toeram-pitsaboana. Indrisy anefa fa nony ny ratra nahazo azy, dia tsy tana intsony ny ainy nony tonga tany amin’ny hôpitaly. Tonga teny an-toerana, rehefa avy nampandrenesina ireo mpitandro filaminana. Fantatra fa nentina natao fanadihadiana ary notanana etsy Tsaralalàna ny mpamilin’ity fiara, nandona nahafaty ankizy ity. Fa mbola resaka lozam-pifamoivoizana hatrany, taxi-be roa 194 no nifandona omaly vao maraina. Tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy tamin’ity loza ity. Araka ny fanazavana azo dia samy maika ny hamonjy “tour” ireto taxi-be ireto ka samy nanampatra ny heriny, ary dia izao niharan-doza izao.
m.L