- Publicité SW45 -
vendredi, janvier 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimiandra : Efa-dahy mitazona antsy manendaka

Ambohimiandra : Efa-dahy mitazona antsy manendaka

Toerana tokony ho lavitry ny jiolahy anefa iny manodidina iny. Ny antony dia satria sady làlan’ny manam-pahefana rehetra ho ao amin’ny lapan’i Mahazoarivo no koa misy làlan’ny mpitandro ny filaminana izay monina sy miasa ao amin’ny tobin’ny zandary eo an-toerana. Ankehitriny anefa dia efa tongan’ny mpanendaka mitondra zava-maranitra ary vonona ny hamono koa Ambohimiandra raha tsy nisy izany taloha. Noho ny haizina mikitroka amin’ilay toerana eo ampitan’ny hopitaly no mitarika izany raha ny fihevitry ny maro. Olona nandalo teo tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany alina no niharan’ilay fanendahana ny sabotsy teo. Efa akakiky azy ireo tanora efatra mitazona antsy lava no nisy mba olona sendra nahita. Najanony ny fiara nitondra azy ary nivoaka izy nanavotra. Raha nahita izany ireo olon-dratsy dia niala haingana. Tsy misy andrin-jiro mihitsy eo amin’ilay toerana akaiky ny hopitaly iny ary eo amin’ny iray kilaometatra amin’ny arabe dia tena haizina tanteraka. Hadinon’ny mpanome jiro « cobra » tanteraka ary dia asan-jiolahy ny vokatr’izany. Mba mila jerena akaiky satria lasa faritra mena ilay toerana mba nanjakan’ny filaminana taloha.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici