- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimiandra-Fatin-jazakely : Vaky ny lohany, tapaka ny tongony roa, tsy tao intsony...

Ambohimiandra-Fatin-jazakely : Vaky ny lohany, tapaka ny tongony roa, tsy tao intsony ny taovany

Efa hanomboka maizina ny andro no nisy nahatsikaritra ny fisian’ny fatin-jazakely iray izay potika tanteraka. Omaly tokony ho tamin’ny dimy ora hariva no hitan’ny tovolahy iray handeha hanadio tatatra eo amin’ny manodidina ny sekoly EPP iray eo an-toerana ilay razana. Norasarasaina ilay zazakely. Voatetika tamin’ny antsy ny vatany ary tsy teo amin’ny toerany intsony ihany koa ny tongony sy ny tanany. Tombanan’izay nahita ho teraka iray volana teo ity zaza ity. Niantso ny fokonolona sy ny tompon’andraikitry ny fokontany avy hatrany ilay tovolahy raha nahita ny zava-nitranga. Tonga teny an-toerana ihany koa ny pôlisy nizaha ny zava-nisy. Mbola tsikaritr’ireo teo ny fisian’ny lamba feno rà izay azo eritreretina fa namonosana ilay fatin-jazakely rehefa avy novonoina. Natsipy tao an-tatatra izany saingy tsy tafalatsaka tsara tao ka izay no nahatonga azy mora hita. Hohamafisina ny fiarovana ny tanàna raha araka ny fanazavan’ny lehiben’ny fokontany tamin’ny fokonolona izay sady tezitra no nihorohoro raha nahita ity habibiana ity. Nanokatra fanadihadiana ihany koa ny mpitandro ny filaminana, saingy toa entina hanamarihana fotsiny izany fa manao ny asany izy ireo satria tsy ho tonga aiza mihitsy, toa ny tranga maro efa nisy ihany, ny fanadihadiana noho ny tsy fisian’ny fitaovana. Raha toa ka mba afaka ny nanana “base de données “ an’ny rà sy ny dian’ny rantsan-tànana fotsiny ary manana fitaovana azo hanamarinana an’izany dia tsy mihoatry ny 24 ora dia fantatra ny nahavanon-doza. Saingy eto amintsika dia tsy laharam-pahamehana loatra izany hany ka lasa manamora ny fanatontosana heloka bevava ho an’ny olon-dratsy…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici