- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimiandra : Jiolahy saika hamaky trano, voatifitra ny iray

Ambohimiandra : Jiolahy saika hamaky trano, voatifitra ny iray

Ny alin’ny faha-22 jona, tokony ho tany amin’ny 12 ora sy sasany tany, nisy andian-jiolahy nikasa hamaky trano teny Ambohimiandra. Tsy nahavita na inona na inona anefa izy ireo fa tonga ara-potoana ny polisy. Nandositra ireo olon-dratsy ary na dia nasaina nijanona aza, tsy nanao izany. Vokany, voatifitra ny iray ary naratra. Tafaporitsaka kosa ireo telo ambiny, hoy hatrany ny vaovao.

Tamin’io ora voalaza etsy ambony io, nisy nahatsikaritra ny fihetsik’ireo mpangalatra. Voalaza fa tsy tao an-trano ny tompony fa lasa any an-dafy. Avy hatrany dia niantso mpitandro filaminana ny manodidina. Rehefa tonga ireo polisy ka nahatazana izany ry zalahy dia lasa nandositra avy hatrany. Raikitra ny fifanenjehana ka tamin’izay no nahavoatifitra ny iray. Mbola tsy tafiditra tao amin’ilay trano izy ireo. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa olona mipetraka eny amin’ny faritra Anjohy ilay voatifitra. Tsaboina eny amin’ny hopitaly izy io omaly. Mandeha ny fanadihadiana ataon’ny tompon’andrikitra.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici