- Publicité SW45 -
mercredi, octobre 23, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimiandra : Mpamily sy resevera taxibe tra-tehaka nidoroka rongony

Ambohimiandra : Mpamily sy resevera taxibe tra-tehaka nidoroka rongony

Telo izy ireo, 42 taona ny zokiny indrindra ary 24 ny zandriny. Voasambotry ny pôlisy tetsy Ambohimiandra, tsy lavitry ny villa « berlin » ireto farany ny alatsinainy lasa teo, noho ny resaka fidorohana zava-mahadomelina sy fitazomanana fitaovam-piadiana. Rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra mpamily sy mpanampin’ny mpamily, miasa amin’ireny taxibe eto an-drenivohitra sy mampitohy iny toerana iny ry zalahy ireto.

Tokony ho tamin’ny mitataovovonana latsaka kely tany ho any no nisy nampilaza ny pôlisy misahana iny faritra iny, ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa, etsy Ambohijatovo, fa misy olona , tsy tahotra tsy henatra mifoka rongony eny Ambohimiandra. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireto mpitandro filaminana ary inona tokoa fa mbola teo am-pangalàna fafiny tsara amin’ny setroka rongony izy telolahy ireto no tra-tehaky ny pôlisy. Niroso avy hatrany ny fisamborana sy ny fisavàna azy ireo ny pôlisy. Ankoatry ny rongony, izay mbola hita tany amin’ireto olona ireto dia mbola nahitàna karazana zava-maranitra, fitaovam-piadiana, tany amin’ny iray tamin’izy ireo. « Poing americain » vita tamin’ny vy, araka ny loharanom-baovao azo. Tamin’ny fanadihadiana azy ireo no nahafantarana fa « saofera sy resevera ana taxibe miasa eto Antananarivo izy telo lahy ireto izao midoroka zava-mahadomelina izao ». Omaly no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana izy ireo ary nadoboka am-ponja avy hatrany.

Tsy izy ireo ihany ! Misy dia misy amin’ireo mpamily sy reseveran’ny fiara fitateram-bahoaka eto an-drenivohitra ireo no fantatra fa mandray izany zava-mahadomelina izany. Ary ny mahavariana dia mazàna amin’ny ora hiasàny, izany ho amin’ny fotoana hitondràny izany fiara fitanteram-bahoaka izany no handraisan-dry zalahy rongony. Araka ny nambaran’ireo sasantsany, dia voalaza fa entiny miady amin’ny torimaso sy ny havizanana ny fandraisan’izy ireo izany. Araka ny nambaran’izy ireo mantsy dia mafy dia mafy io asa satria tsy maintsy mifoha maraina be ary tsy mody raha tsy alim-be. Toe-javatra izay tsy mitombina ary fiarovan-tena tsy azo raisina velively eny anivon’ny Fitsaràna. Voalohany, voararan’ny lalàna ny fidorohana rongony ary faharoa, ain’olona marobe tsy manan-tsiny no andraikitry ny mpamily sy ny mpanampy azy ao anaty fiara fitateram-bahoaka ary atao tsinotsinona. Ilaina ny fandraisana andraikitry ny tsirairay tahak’izao, ary miantso hatrany ny rehetra ireo mpitandro filaminana mba hampandre avy hatrany raha mahatsikaritra ny toa izany.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici