Zotra 139 izay mampihazo an’Antanimena amin’Ambohitsoa no niharan-doza omaky tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany. Tapaka isatra ary tsy nanan-tsafidy intsony ny mpamily ankoatra ny nampidona azy tamin’ilay hazobe etsy Ambohimiandra, tsy mifanalavitra amin’ny mpivaro-boankazo. Nisy ny naratra izay nentina haingana teo amin’ny hopitaly izay tsy dia mifanalavitra eo ihany. Arabe betsaka olona mpandeha no sady teritery Ambohimiandra noho ny fisian’ny fiantsonan’ny taxi-be eo an-toerana no koa ny fisian’ny dabam-pako izay napetrapetraky ny kaominina mahazo arabe. Soa fa mba tsy nifaoka olona ilay taxi-be noho izany rehetra izany fa angamba dia nandriaka ny rà.
D.R