- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimiandra : Sakoroka tanaty "karaoké", mbola tsy nisy fisamborana

Ambohimiandra : Sakoroka tanaty « karaoké », mbola tsy nisy fisamborana

« Mbola mitsabo ny marary mba ho sitrana aloha saingy na izany aza dia efa manomboka ny fanadihadiana », raha araka ny fanazavàn’ny polisy. Izany dia mahakasika ny ady izay nitranga tao anaty karaoké iray tetsy Ambohimiandra, ny alin’ny asabotsy lasa teo, ka nandratràna olona dimy izay polisy ny iray. Ny andaniny dia nanamafy fa fanaparam-pahefana nataon’ny mpitandro ny filaminana izay nilaza fa miasa eo anivon’ny prezidansa no nanjo azy ireo. Notaterin’ny gazety sasany rahateo izany ary voalaza fa rehefa tsy nety niaraka tamin’ireo mpitandro ny filaminana ireo vehivavy izay nangatahin’izy ireo dia raikitra avy hatrany ny daroka isan-karazany izay niteraka ratra sy fampidirana hopitaly aza. Notantarain’ny naratra koa fa nisy nibaiko ireo mpidaroka ary rangahy izay mbola mpitandro ny filaminana koa izany. Io farany no niantoka ny lany rehetra nandritry ny lanonana ary izy izany no patabe mibaikobaiko ireo ambiny ka naniraka ny mba hangatahana ireo vehivavy nihirahira mba hiaraka aminy. Rehefa nisy ny fandàvana dia daroka avy hatrany no setrin’izany, voadaroka ary naratra hatramin’ireo andriambavilanitra. Raha ny voafaritry ny naratra hatrany dia nisy polisy tamin’ny mpidaroka ary nisy polisy, izay nisahana ny fiambenana ilay toerana koa, voadaroka. Omaly dia nanambara ny polisy fa tsy nisy mpitandro ny filaminana avy ao amin’ny prezidansa izany tamin’ireo izay nifampikasi-tànana. Niravona tanteraka ny ady rehefa nandamina teny an-toerana ny polisy ary nitondra ny naratra tany amin’ny hopitaly. Hatreto aloha dia tsy mbola nisy ny fisamborana, raha araka ny fanazavana. Fialam-boly nivadika takaitra no nitranga ary endrika iray izay mbola manamafy fa sarotra izany mba hivoaka alina, hiala voly, eto an-drenivohitra izany ankehitriny. Ankoatry ny tsy fandriam-pahalemana dia toa ireo natao hiaro koa indraindray no mety manondràna.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici