Nandritry ny hetsika manokana ataon’ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena, handraisan’ireo kaomisaria rehetra eto an-drenivohitra anjara no nahatratrarana ity tovolahy iray, teo am-pitsindromana ireny karazana rongony mahery ireny, tetsy amin’ny kianja filalaovam-baolina Ambohimiandra omaly maraina. Tsy afa-niala intsony ny tovolahy ary mbola tratra teny aminy ireo fitaovana rehetra fanaovany izany, araka ny fampitam-baovao azo avy eo anivon’ny pôlisim-pirenena.
Araka ny fanazavana azo tokoa mantsy fa tena miparitaka be ny fivatorana sy ny fandraisana zava-mahadomelina eny amin’iny faritra iny, fa indrindra manodidina an’Androndra. Antony iray nampidirana ny ady amin’izany ihany koa ho anatin’iny hetsika manokana ho an’ny famongorana ny tsy fandriampahalemana, izay nataon’ny teo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa etsy Ambohijatovo. Misy polisy manao fanamiana sy manao fanamiana sivily araka izany, tsy mitsahatra manao fisafoana amin’izany toerana izany. Rehefa nisy ny angom-baovao azon’ireo mpanao fisafoana ny amin’ny fisiana olona mitsindrona heroine, teo akaikin’ny kianja fanaovam-baolina teo Ambohimiandra dia nisy avy hatrany ny fidinana ifotony. Ity tovolahy ity no tra-tehaka teo. Efa vita ny nataony, satria tsy nahitàna izany rongony izany intsony tany aminy, saingy ireo « vilia fihinanana » sisa no tratra naloto teny an-tanany. Nentina nihazo ny biraon’ny avy hatrany moa ranamana ary hatolotra eo anivon’ny Fampanoavana anio.
Tao anatin’ny taona vitsy tokoa izay dia tena nahazo vahana, niparitaka ary nirongatra tanteraka ny fandraisan’ny tanora itony zava-mahadomelina mahery vaika itony. Izy ireny izay nosakajiana ho karazana rongony ho an’ireo manan-katao teo aloha, noho ny hahalafony, amin’izao lasa jifain’ny besinimaro, eny fa na hatramin’ireo azo lazaina, marefo ara-pivelomana aza. Mazava ho azy, tsy maintsy misy manaparitaka amin’ny habetsany maro dia maro eto amintsika ireny zavatra ireny, matoa mora ho an’ireo sokajin’olona samihafa ny manjifa izany. Ny mampalaelo anefa indraindray dia mazàna ireo mpitsindrona kely aty ambany foana no voasambotra. Ireo trondro vaventy kosa dia toa ankavitsiana, na vitavita ho azy eny ny raharaha, raha tsy hiteny afa-tsy ilay cocaine 600 kg tra-tehaka tatsy Toamasina, saingy tsy nahitàna tohiny intsony hatreto.
m.L