Fivarotana iray no lasibatry ny asan-jiolahy tao Ambohimiandrisoa, tapitra noraofin’ireo jiolahy avokoa ny entana rehetra.
Toeram-panamboarana ireny finday ireny ity nisy namaky ity tamin’ny herinandro lasa teo. Saika fivarotana mitandahatra no mifanila vodirindrina aminy fa ity fivarotana ity mihitsy no efa tena nokendren’ireo olon-dratsy. Marihina anefa fa manamorona ny ara-be no misy ilay fivarotana ary feno mpiambina ny manodidina io toerana io. Tany ambadiky ny trano ireo jiolahy no niditra rehefa avy nopotehiny ny rindrina hidirana ao anatiny, trano hazo mantsy ilay fivarotana. Nopohiriny avy eo ny fanalahidin’ilay trano ka teo ry zalahy no niditra.
Feno entana tao amin’ity toeram-piasa ity, toy ny finday an’olona maro namboarina, tsy finday tsotra rahateo fa ireny hika farany ireny; ankoatra izay solosaina telo koa no nampiasana tao hoy ny tompon-trano nanazava. Tsy nisy niangana fa dia trano foana sy nadiodio no novantan’ilay rangahy ny alahady 10 jolay raha sendra hanokatra ny fivarotany izy. Nalain’ireo mpamaky trano hatramin’ny fitaovam-piasana rehetra, “ unité centrale “ iray no tsy zakan’ireo jiolahy ka napetrany teo anilan’ny trano nifanila taminy ihany.
Raha ny fanazavana hatrany dia misy mpiambina matory foana ao amin’ity trano fiasana ity afa-tsy ny sabotsy ihany. Tamin’io sabotsy alina io mihitsy anefa no nisehoan’ny fahavakisan’ny fivarotana ka tombanana fa olona efa mahafantatra tsara ilay toerana no namaky azy. Efa eo an-tanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha amin’izao fotoana ary fantatra fa misy ny fiaraha-miasa tamina orinasa manana “camera de surveillance” eo amin’io kartié io ka antenaina fa hisy vokany izany aoriana.
Andry N.