- Publicité -
vendredi, mai 30, 2025
AccueilFaits-DiversAMBOHIMIANDRISOA ANTSIRABE : Masinin-kazo nirehitra, nirefotra hatramin`ny fatana gaz

AMBOHIMIANDRISOA ANTSIRABE : Masinin-kazo nirehitra, nirefotra hatramin`ny fatana gaz

Nitrangana haitrano mahatsiravina tao Ambohimiandrisoa ny alin`ny Alakamisy hifoha zoma maraina teo . Tokony tamin`ny 3 ora sy sasany tany ho any no nisy nahatsikaritra ny fiakaran`ny setroka mainty be tao amin`ilay masinin-kazo. Nofohazina ny mpiray vodirindrina satria raha ny fantatra dia tsy tao ny tompontrano tamin`io fotoanan`ny fahamaizana io.

Vetivety dia nahazo laka afo noho ny taim-bakona sy hazo maro tao amin`ilay toerana niavihan`ny loza. Nihitara tamina garazy nifanila taminy ary nanomboka teo no nirehitra avo dia avo ny afo ka nanano- sarotra ny namehy azy.

Moto roa no nirefotra tao amin`ilay garazy, tsy avotra intsony fa may kilan`ny afo tanteraka ireo kodiaran-droa ireo. Ankoatra izay, fiara telo no nifamonjen`ny fokonolona navoaka na dia efa nahitana fiheretana aza teo ambony « capot« , voatery novakiana mihitsy moa ny `parabrise` n`ilay fiara raha ny fitantaran`ny nanatrimaso satria nihidy ny sasany tamin`ireo fiara ireo.

Trano roa sy garazy iray no may kilan`ny afo ary fianakaviana 4 no fantatra fa niharam-boina noho ity hay trano ity. May hotohoton`ny afo avokoa rehefa fanana. Isan`izany ny fatana gaz nipoaka izay nampivaraontsana ny manodidina mihitsy.

Soa fa tsy nisy ny aina nafoy na naratra, vetivety dia tonga teny an-toerana ny fiara mpamonjy avy amin`ny faritra vakinankaratra, sy avy amin`ny sampandraharaha teknika,  tsy lavitry ny toerana nisian`ny loza rahateo no misy ny foiben`ity farany.

Tokony ho tamin`ny 6 ora sy sasany maraina vao maty ny afo, nanampy be tamin`ny famehezana ny afo ny fokonolona teny an-toerana. Tsy fantatra kosa ny tena niavian`ny loza.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici