Nitrangana hain-trano mahatsiravina indray teto Antsirabe, trano iray fanaovana menaka no kila forehitra tsy nisy noraisina intsony. Omaly hariva tokony ho tamin’ny 4 ora sy fahefany tany ho any no nanomboka nirehitra ny trano iray. Fantatra fa orinasa fanamboarana menaka, ity nirehitra ity tao Ambohimiandrisoa. Tsy fantatra hatreto ny mety ho niandohan’ny afo, fa ny setroka be efa nameno ilay trano no nanaitra ny tompony. Niantso vonjy ity farany, vetivety dia nifanome tanana ny mpiara- monina rehetra, saingy efa nihanaka sy nijoalajoala ny afo ary nanomboka nivoaka tety ivelany. Sarotra ny namehy ny afo, satria hatramin’izao ora anoratana izao, dia mbola tsy voafehy tanteraka ny afo. Voatery noravana mihitsy ny tafon’ilay trano,vao nanomboka nijanona ny afo. Voalaza fa trano fitahirizam-bokatra ity may ity, manamarina izany ny faharetan’ny afo sarotra novonoina, satria ireo akora fototra fanaovana menaka no fantatra fa niangona tao. Ankoatra izany ny menaka, sy mangahazo ary kitay fahandroana ireo akora ireo. Soa aloha fa tsy nisy ny aina nafoy na naratra fa ny fahavoazana no be. Nitarainan’ny maro sy ny traboina kosa ny tsy fahatongavan’ny fiara mpamono afo , hany tokana eto Antsirabe dia ny fiaran’ny groupe socota. Tany any amin’ny orinasa mihitsy ny tenako hoy ny solon-tenan’ny fianakaviana nanazava, tamiko ny tomponandraikitra hoy izy fa efa an-dàlana ny fikarakarana azy. Ora roa taty aorina anefa mbola tsy tonga ihany ny fiara, ka ny fokonolona no nifanome tanana tamin’ny fitaovana kely tao aminy. Olana goavana eto amin’ny tanànan’Antsirabe moa ity tsy fisian’ny fiara mpamono afo ity, efa ela ihany no nisy fampanantenana sy filazana, fa hisy io sampana io ny Fiadidiana ny tanàna, miampy ny fitaovana sy ny fiara fa mbola tsy hita ihany izany hatramin’izao.
Andry N