- Publicité -
lundi, juin 23, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimiarivo Antsirabe II : Nisy nanafika ny ben’ny tanàna, lasa ny...

Ambohimiarivo Antsirabe II : Nisy nanafika ny ben’ny tanàna, lasa ny 14 tapitrisa ariary

Niteraka resabe ary niely eran’ny tanàna fa maty ny ben’ny tanàna tao amin’ny kaominina Ambohimiarivo Antsirabe II tamin’ny herinandro lasa teo vokatry ny fanafihan-jiolahy nahazo azy.

Nitrangana fanafihan-jiolahy  mitam-piadiana tao amin’ny trano fonenan’ity ben’ny tanàna ity, ankoatra ny maha ben’ny tanàna azy mantsy dia mpivarotra ihany koa ny tenany, izay matetika lasibatra amin’ny asan-jiolahy. Teny amin’ny tafontrano no voalaza fa nidiran’ireo olon-dratsy. Rehefa tafiditra tao ry zalahy dia novelisiny avy hatrany ity ben’ny tanàna ka voa mafy teo amin’ny lohany. Notakiany ny vola be tao an-trano avy eo ka vola mitentina 14 tapitra ariary no fantatra lasan’ireo jiolahy. Rehefa izany, nasainy nivoaka hamatotra ny alika tao an-tokotany ilay ben’ny tanàna, ireo jiolahy koa nanaraka tao aoriana. Vao tafavoaka anefa izy ireo, nohidin’ilay ramatoa  ny varavarana. Tezitra tamin’izany ireo jiolahy ka nitifitra avy hatrany, soa fa tsy niantefan’ilay bala ilay ramatoa fa nandalo teo amin’ny tongony ihany ka nandratra azy. Ilay ben’ny tanàna kosa nanararaotra nitsoaka ka tafaporitsaka ihany. Nitsoaka nandositra ireo jiolahy nony avy eo ka tsy hita izay nanjavonany. Ilay ramatoa kosa nifamonjena ka nentina haingana taty Antsirabe hotsaboina. Nisy nanely tao an-tanàna anefa fa maty ilay ben’ny tanàna, tsy marina akory izany fa velona soamantara ny tenany, tsaho nahely fotsiny ihany izany.

Matetika no ahenoana fitarainana ao Ambohimiarivo tato ho ato. Araka ny fantatra matsy dia tsy vitsy ireo miditra sy mivoka ny fonja ka ametrahan’ny olona ahiahy.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser