Nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana indray tao Ambohimiarivo Antsirabe II, tokantrano dimy no nasesin’ireo jiolahy ka mpivarotra ny telo tamin’izy ireo.
Manao andiany maro, tsy latsaky ny folo ireo jiolahy rehefa manafika, ankoatra izay miaraka amina basy sy zavamaranitra ry zalahy ka raiki-tahotra ny mponina. Ny alin’ny zoma lasa teo tokony ho tamin’ny folo ora, tao amin’ny fokontany Betsiolany no nisehoan’ny fanafihana. Mpivarotra telo no lasibatra tao, ka vola an-tapitrisany maro niampy ny entam-barotra sy ny finday ary entana lafo vidy maro no lasan’ireo jiolahy tamin’izany. Tsy nisalasala ry zalahy fa avy hatrany dia nanapoaka basy, ny sasany miandry ny varavarana fidirana ny sasany kosa nanao amboletra niditra ny trano rehefa avy novakiana ny varavarana, hoy ny loharanom-baovao. Amin’izay ny antsy lava sy ny zavamaranitra mirangaranga eny ihany, tsy nisy sahy nanohitra ny tao an-trano fa toran-kovitra avokoa vao naheno ny poa-basy sy nahita ny firangaran’ny fitaovam-piadiana. Ny azo natao dia nanome izay notadiavin’ireo jiolahy. Fantatra fa tsy nijanona teo ny fanafihana fa afaka ora iray sy sasany taorian’io dia tokantranon’ olona manan-katao ao Ambatolahimarina indray no notafihan’ireo jiolahy. Tapitra noraofin’ireo jiolahy avokoa rehefa entana lavo vidy, ny finday, firavaka volamena. Niezaka nanohitra ihany ny tao amin’ity tokantrano ity saingy be noho vitsy, ny basy ny antsy lava koa nampitahotra. Vokany nisy ny naratra vokatry ny vono sy daroka vody basy. Nandositra ireo jiolahy rehefa azony izay nilainy, toarian’izao vao afaka niantso mpitandro filaminana ny vahoaka. Vokatry ny faharatsian’ny lalana anefa efa lasa lavitra ireo olon-dratsy vao tonga ny mpitandro filaminana ka tsy nisy inona azo natao intsony. Efa misokatra ny fanadihadiana.
Andry N.