- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimirary : Mpamilina fiara karetsaka, voatsindrona antsy

Ambohimirary : Mpamilina fiara karetsaka, voatsindrona antsy

Nisehoana fanafihana fiarakaretsaka indray teny amin’iny faritra Ambohimirary iny ny zoma alina teo. Voatsindrona antsy tao amin’ny lamosiny ny lehilahy iray, mpamilina fiarakaretsaka ary naratra mafy, ka voatery nalefa teny amin’ny hôpitaly. Raha ny fantatra hatrany dia teo Ampasapito akaikina toby fakàna solika iray no nanakana azy ny lehilahy iray, hoany Ambohimirary, tokony ho tamin’ny 8ora sy sasany alina tany ho any. Tsy nanam-po na inona na inona ity mpamily ity fa noheveriny ho toy ny mpandeha rehetra ity jiolahy niaraka taminy. Nony tonga tany amin’ny toerana nifanarahana fa hanaterana an’ity mpandeha no niseho vatana tamin’ny maha-izy azy amin’izay ity mpanendaka ity. Toerana somary maizimaizina ihany koa no nanondroany an’ilay mpamily. Tsy ny sarandàlana no natolony fa avy hatrany dia antsy no niantefa teny amin’ity mpamily, nandrahoana sy nitaky ny vola rehetra tany aminy. Ankevitry ny tsy nanaiky angamba ity mpamily ity, ka noleran’ilay olon-dratsy tsy am-pihambahambana tamin’ny antsy tao amin’ny lamosiny. Somary mbola nisinisy olona nandeha ihany anefa teo amin’ny faritra. Tetsy andanin’izay, niantso vonjy ihany koa rangahy mpamily. Nirohotra avy hatrany ny olona ka noraisim-potsiny teo ity olon-dratsy ity. Efa raikitra ny daroka sy vono, nataon’ireo fokonolona nahatratra azy. Nentina tany amin’ny mpitandro filaminana avy eo. Ilay naratra kosa, nalefa haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana. Tsy kely làlana ny ratsy, ary amin’izao fotoana manakaiky fety izao, miharomotra mihitsy ireo olon-dratsy. Ny mitandrina hatreto no tena fanafodiny ary aleo atao akaiky foana ireo laharan-telefaona mpitandro filaminana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser