- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimpiainana : Rangahy 40 taona tratra nisoloky tanin’olona

Ambohimpiainana : Rangahy 40 taona tratra nisoloky tanin’olona

Rangahy mpitandraka vatosoa no voalaza fa misoloky tanin’olona eny amin’iny faritra Ambohimpiainana iny. Araka ny voalazan’ireo tompon’ny tany dia nivarotra ampahim-bato tamin’ity rangahy ity izy ireo, tsy nionona tamin’io anefa ity rangahy ity fa nangalatra». Nalainy ny kadasitra, nojereny ny faritra izay anay rehetra ka nalainy sy notrandrahany avokoa izay vatosoa rehetra tao », hoy hatrany ny voalazan’ny tompon’ny tany. Marihina moa fa aty an-drenivohitra ny tompon’ny tany no mipetraka, ny tanindrazana kosa any ambanivohitra ka izay no nahatonga ity rangahy ity nanararaotra toy izao. Efa nanao ny fitoriana teny anivon’ny fokontany, saingy tsy nisy vokany ». Mandehana mitory fa tsy rarahiko » hoy ny voalazan’ity rangahy ity araka ny fanazavan’ireto tompon’ny tany hatrany. Efa mahery ny zato tapitrisa ny vatosoa izay lafon’ity rangahy ity izay tsy fantatry ny tompon’ny tany akory. « Simba ny taninay ka tsy hanaiky intsony izahay fa hitory » hoy hatrany ny voalazan’ireto tompon’ny tany. Efa nametraka ny fitoriana eny anivon’ny tribonaly moa ireto tompon’ny tany amin’izao.

FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici