Fofona maimbo no henon’ny olona ka nahataitra ny manodidina hifamotoana hijery ny zava-misy. Akory ny hagagana rehefa nosokafana ny trano fa hay razana efa potika no tao. Raha araka ny tomban’ny manam-pahaizana dia efa herinandro raha kely indrindra no maty ka nohidina tao an-trano ilay vatana mangatsiaka. Mahazatra Lucien ny anaran’ilay olona namoy ny ainy ary miasa amin’ny orinasa afaka haba iray eny amin’ny mabnodidina izy. Raha ny filazan’ny fianakaviany dia efa notadiavina hatrany izy rehefa tsy tonga tany amin’ny toeram-piasany. Tsy nahitam-bokany anefa izany hany ka voatery nampandrenesina ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany. Nikorontana ambony ambany ilay efitrano tamin’ny fotoana namohana azy. Raha ny hevitry ny maro dia nisy zavatra nokarohan’ireo olona namono azy tao amin’io toerana io. Nisy nilaza fa nahazo vola tamin’ny toeram-piasany I Mahazatra Lucien ka izay no mety ho antony nanafihana azy ary namonoana azy ho faty mihitsy aza. Notaterina any Manakara, izay tany niaviany, ny razana ary ny zandary kosa dia nanokatra fanadihadiana mahakasika ny raharaha. Efa misy ny ahiahiana saingy mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka izahay, raha araka ny fanazavan’ireo mpitandro ny filaminana.
D.R