- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohipanja Ilafy : Saika nisy hangalatra ny vy amin’ny fasana

Ambohipanja Ilafy : Saika nisy hangalatra ny vy amin’ny fasana

Akory ny hatairan’ny mpandevina tao amin’ny fasana iray teny Ambohipanja Ilay, omaly, nahita ny « grille de protection »-n’ny fasana handevenana efa nisy saika nanala. Efa nihozongozona ilay izy, fa tsy mbola niala tanteraka. Samy variana ny rehetra teo anoloan’izany. Velona ny resaka, saika ny vy ve no hangalarina sa ny fasana mihitsy no ho-vakiana. Araka ny fantatra, misy ireo kartie môbila miasa eny an-toerana manao fisafoana matetika amin’iny faritra iny. Ankeviny teo am-panalana ireo « grille » ny olon-dratsy no nandalo ireo mpiasan’ny fokontany ireo. Raha vao nahita an’izany ry zalahy, dia ankeviny tsy sahy nitondra ireo vy fa lasa nandeha nandositra.

Tsy foana hatramin’izao ny halatra vy isan-karazany eto an-drenivohitra. Rehefa mandalo amin’ny toerana maro ianao, mahamarika fa misy manongotra ireo takela-by isan-karazany ka hatramin’ny sarona « dalle » misy maka. Misy manao anton-draharaha mihitsy manao izany amin’ny alina, hoy ireo olona mahamarika ny fanaon’ireo mpangalatra. Raha ny vaky fasana hangalarana taolana indray, dia vao haingana no nisy izany teny amin’ny fokontany Soamanandrariny. Telo ny fasana hita fa nisy nanimbazimba.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser