- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohipo – 67ha : Nandravarava ny hain-trano, entana maro no lasa lavenonana

Ambohipo – 67ha : Nandravarava ny hain-trano, entana maro no lasa lavenonana

Trano roa indray no levon’ny afo ny faran’ny herinandro lasa teo. Ny iray tetsy Ambohipo, nitranga ny sabotsy lasa teo ary ny iray tetsy 67ha. Raha ilay tetsy Ambohipo dia nandeha nivavaka ny olon-dehibe tao amin’ity trano ity, raha tsy nisy afa-tsy ankizy sy mpanampy no tao amin’ity trano ity. Kila firehitra tsy nisy azo noraisina ny entana rehetra tao amin’ity trano ity. Tsy nisy naratra na namoy ny ainy kosa tamin’ity loza ity . Araka ny fitantaran’ny renim-pianakaviana niharam-boina dia tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ny loza. Talohan’ny fotoana nandehanan’izy ireo nivavaka dia efa novoinoina avokoa ny afo rehetra tao an-trano, efa nalàna avokoa ihany koa ireo « prise » rehetra tao an-trano. Hatairana ny an’ireo fianakaviana ireto raha olona no nilaza taminy tany am-piangonana fa may ny tranony. Vetivety ihany moa dia voafehy ny afo tsy hitapiraka tamin’ireo trano manodidina. Ny fokonolona no nifarimbona namono ny afo, nampian’ny mpamponjy voina, tonga teny an-toerana fotoana fohy monja taorian’ny nitrangan’ny afo. Raha ilay tetsy amin’ny 67ha indray dia niseho ny sabotsy alina lasa teo, tokony ho tamin’ny 9ora tany ho any. Trano iray any amin’ny rihana ambony indrindra ao amin’ireo trano lehibe eny an-toerana no levon’ny avo. Raha ny fantatra dia ny niainga tamina efitra iray ny afo ary niparitaka teo « terrasse » avy eo. Tsy fantatra izay antony nahatonga ny loza. Nalaky voafehy ihany moa izany. Mila fitandremana tanteraka ny afo amin’izao andro maina dia maina izao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser