Rindrina maintin’ny setroka sisa no nijoro. Potika ary nivadika ho lavenona ireo entana rehetra. Izay no vokatry ny hain-trano mahatsiravina nitranga ny marain’ny alahady teo, tetsy Ambohipo. Olona iray kosa no fantatra fa naratra mafy.
Tokony ho tamin’ny enina ora maraina latsaka kely tany ho any, ny alahady teo. Feon-javatra nipoaka mafy dia mafy no nanaitra ny ankabeazan’ireo mponina tetsy Ambohipo tao anatin’ny torimasony. Tsy vitan’ny fipoahana ihany anefa fa mbola narahana afo nijoajoala nony avy eo. Trano iray no niavian’izany rehetra izany. Trano misy rihana, tsy lavitry ny sekoly ambaratonga fototra teny an-toerana. “Nipoaka ary nihovitrovitra mafy nony avy eo. Nony handeha hivoaka hijery ny zava-nisy izahay dia efa lelafo sy setroka mainty nanaka-danitra no hitanay” hoy ny fitantaran’ity renim-pianakaviana iray, mipetraka tsy lavitr’ity trano may ity. Tamin’io fotoana io ihany dia niara-nirohotra ny rehetra nanao ny ainy tsy ho zavatra avokoa, samy niezaka namono ny afo. “Fantatray tsara fa misy lehilahy iray natory tao amin’io trano io ary nifamonjena haingana. Avotra soa aman-tsara ity farany na dia naratra mafy” hoy hatrany ny fitantarany. Fotoana fohy taorian’io loza io dia tonga ny mpamonjy voina, rehefa nampandrenesina. Voafehin’izy ireo tao anatin’ny minitra vitsy monja ny afo, raha saika nihitatra tamin’ireo trano manodidina. Ora vitsy taorian’izay kosa no maty tanteraka.
Araka ny angom-baovao azonay teny an-toerana dia voalaza “gaz” nipoaka no antony nahatonga ny firehetana ary izao niafara tamin’ny fahamaizan’ny trano izao. Azo heverina fa mety tsy nihidy tsara ny famahana teo amin’ireo fitoerana nisy ireo “gaz”, ka iny handeha handrehitra afo iny ilay rangahy tao an-trano no niseho ny tsy nampoizina. Ity farany, izay nentina haingana namonjy hôpitaly moa tamin’io fotoana io ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Efa tonga teny an-toerana moa, ankoatry ny mpamonjy voina, ny pôlisy. Efa nosokafana ihany koa ny fanadihadiana.
Anisan’ny fandrehitra be mpampiasa tokoa ao an-tokantrano ao, ny “gaz”, aorian’ny harina moa, mazava ho azy. Saingy samy mitera-doza avokoa izy ireo, rehefa tsy ampy ny fitandremana eo amin’ny fampiasàna azy.
m.L



