- Publicité -
vendredi, juillet 25, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohipo : Jiolahy tratra, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Ambohipo : Jiolahy tratra, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy ity mpamaky trano no nisy nahatsikaritra, teny amin’iny faritra Ambohipo iny. Nenjehana avy hatrany ary tsy ela akory dia voasambotra ilay olon-dratsy. Raikitra ny daroka sy ny vono. Ny sabotsy lasa teo nitrangan’ity trangana fitsaram-bahoaka ity teny an-toerana. Raha mbola teo am-pisokirana trano mantsy izy no hitan’ny fokonolona. Niantso vonjy rahateo ny tompon’ny trano ary vetivety dia niely ny vaovao. Nitangorona ny olona ary nifanome tanana tamin’ny fisamborana ity olon-dratsy ity teny amin’iny faritra iny. Tetsy an-danin’izay dia nisy tamin’ireo mponina no niantso avy hatrany ny pôlisy. Nony nigadona teny an-toerana moa ireto farany dia efa voasambotry ny fokonolona ity mpamaky trano, izay tsy afa-niala teo ambany hatezereran’ireto farany. Raha nisy kely foana dia efa ny ainy no nanefa tamin’izany. Soa ihany araka izany fa tonga ara-potoana ireto mpitandro filaminana ireto. Nitondra azy niala teo. Rehefa avy notsaboina sy natao famotorana moa ny lehilahy dia natolotra teny anivon’ny Fampanoavana, ary nampidirina am-pona vonjimaika, miandry ny fotoam-pitsaràna azy.

m.L 

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici